Namoaka ny tatitry ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana tao anatin’ny roa volana ny eo
anivon’ny Ceni, omaly tetsy Mahamasina. Teo koa ny fihainoan’izy ireo ny mpisehatra politika.
Mahatratra 13 593 000 ny tanjona napetraka ho voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy ao anatin’izao fanavaozana tanteraka izao. Miisa 5 071 688 na 37,31 % amin’izany no efa tafiditra amin’izao fotoana izao, nandritra izay roa volana izay, araka ny tatitry ny Ceni ny amin’ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.
Nisy ny fihaonan’ny birao foibe tamin’ireo mpisehatra momba ny fifidianana avy amin’ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily tamin’ izany. Distrikan’i Marolambo no manana taha ambany indrindra fa 6,1% noho ny fahasarotan’ny lalana. 42% kosa ny eto amin’ny faritra Analamanga.
Vinan’ny Ceni
“Ny mba hananantsika zotram-pifidianana tsara omana ary azo antoka fa andraisan’ny rehetra anjara no vinan’ny Ceni. Izay ihany no heverinay fa antoka mitondra antsika mankany amin’ny fitoniana sy ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, tamin’ny fanombohana ny fikaonandoha.
Mifanojo amin’ny vinan’ ny Ceni amin’ny fampandraisana anjara ny rehetra ny fihaonana. Mifanandrify ihany koa amin’ny soatoavina mifehy azy izany. Anisan’ny soatoavina mamaritra ny fomba fiasany ny fanajana ny lalàna sy ny fanjakana tan-dalàna. Tsy miasa irery amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny Ceni, fa miaraka amin’ny sampandraharaham-panjakana sy ny mpisehatra rehetra amin’ny lafiny fifidianana. Izay no anisan’ny anton’ny fihaonana.
Soatoavin’ny tsy fiandaniana
Anisan’ny soatoavina mibaiko ny Ceni amin’ny fihaonana koa ny tsy fiandaniana ao anatiny na any ivelany, tsy manavaka amin’ny mpisehatra rehetra tokony handray anjara amin’ny fihaonana. Mifanojo amin’ny fomba fiasany amin’ny fametrahana fangaraharana amin’ny fampahafantarana ny mpisehatra rehetra manana andraikitra amin’ny zotram-pifidianana isaky ny dingana atao.
Na izany aza, mbola mitoetra hatrany ny ahiahy eo amin’ny antoko politika sasany ny amin’ny fomba fiasan’ ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin’ny fikarakarana sy fikirakirana fifidianana.
R. Nd.