Mpirakidraharaha: hiverina ny karama tapaka

“Miverina ny karaman’izy ireo, ny volana desambra, satria efa miverina miasa izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy Fran­çois, teny Anosy, omaly momba ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 nanao fitokonana. Voalazan’ny lalàmpanorenana ny zo hanao fitokonana, saingy misy fetrany : rehefa tsy misy asa, tsy misy karama. Nandray karama izy ireo ny volana oktobra, nefa nanomboka 6 oktobra no tsy niasa. Raha ny tokony ho izy aza, tokony haloa ny efatra andro fa najanona teo. Tsy niasa izy ireo nefa noraisin-dry zareo ny karama volana oktobra. Volana novambra izy ireo manonitra izany.
Eo amin’ny 15% ka hatramin’ny 20% eo ho eo ny ady tany manerana ny Nosy amin’ny raharaha miditra eny amin’ny fitsarana, fa tsy hoe 80%, araka ny resaka mandeha. Antony nanaovana ho laharam-pahamehana ny na­nanganana fotodrafitrasa hisahana manokana momba ny ady tany izany, araka ny fanazavany tamin’ny fametrahana vato fototry ny efitrano fitsarana vaovao hisahana manokana ny ady tany eny amin’ny fitsarana, Anosy, hovitaina ao anatin’ny dimy volana.

R. Nd.

Partager sur: