Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka tsy hanelezana vaovao diso ny maha “lanceur d’alerte”

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), manoloana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy. Nohitsin’ny minisitera tamin’izany ny fisian’ireo olona sasany avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, miafina ao ambadiky ny sata maha mpisintona lakolosy “Lan­ceur d’alerte” azy ireo. “Atao izany mba hanaovana asa fanelezana vaovao diso, ny fanalam-baraka… Hita anefa fa efa manao politika politisianina izy ireny, saingy mitonona ho olon’ny fiarahamonim-pirenena”, hoy ny fa­nambarana. Voatsiahy tamin’ izany ny tranga ny herinandro teo amin’ny fifanandrinan’ny Vondron’ny mpandraharaha momba ny letisia (Gel) sy ny “Trans­pa­rency International – Ini­tiative Madagascar – TI-IM”.

Nisongadina tamin’izany ny fitoriana ny Gel ho nanao kolikoly amin’ny fanondranana letisia. Tsy nipetra-potsiny anefa ity vondrona mpandraharaha ity ka nitory koa noho ny fahatsapana fa fanalam-baraka izany. Nohainoin’ny polisy ekonomika ny mpitarika ao amin’ny TI-IM.
Tsy misy idiran’ny fanjakana

Nisesy ny fanambaran’ireo masoivoho eto amintsika. Niantso ny fanjakana tsy hanao fitaovana politika ny fitsarana mba hampihorohoroana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy izy ireo. “Tsy misy idiran’ny fanjakana anefa izany fa fifanolanan’ny samy tsy miankina, eo amin’ny Gel sy ny TI-IM”, hoy ny eo an­ivon’ny minisitera.
Miantso ny rehetra mba hiroso amin’ny fanamarinam-baovao sy ny tranga mialoha ny hamoahana izany mba hisorohana ny fanapariahana vaovao diso ny fanambaran’ny MSK.

Midika izany fa tadiavin’ ny mpanao politika atao fitaovana hiafenana sy hanelezana vaovao diso ny maha mpisintona lakolosy sy mpiaro ny zon’olombelona azy ireo. Maro amin’izy ireo no fantatra fa efa manana ny fironany ara-politika, ary mampiasa ny sata maha mpiaro ny zon’olombelona na mpisintona lakolosy azy ireo entina hanelezana vaovao tsy mari-pototra.

Synèse R.

Partager sur: