Antenimierandoholona: hiara-kiasa amin’ ny Indianina

“Manana fandaharanasa isika izay napetraky ny filo­han’ny Repoblika amin’ny fananganana indostria manerana ny distrika 119 eto Madagasikara. Mifanentana amin’izany tinady izany ny haitao indianina, ary tokony hojerena akaiky izay mba hahazoana miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny amin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoron’i Inde vaovao eto Madagasikara, Sem Ban­daru Wilsonbabu, azy teny amin’ny lapan’Anosikely, afa­komaly.
Nampanantena ny ambasadaoro fa maro ireo indianina mpandraharaha te hampiasa vola eto Madagasikara. An­draikitry ny Antenimieran­do­holona izay, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Tsy inona izay fa ny fanamorana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha na teratany na vahiny vonona hiasa eto Madagasikara. Nanome toky ny ambasadaoron’i India fa hijery akaiky ny amin’izay fiaraha-miasa ara-toekarena izay eo amin’ny firenena roa tonta.
Voaresaka ihany koa ny amin’ny fifanakalozana sy fifanomezan-tanana amin’ny fanatevenana ny amin’ny demokrasia koa ny parlemanta indianina sy ny An­te­ni­mi­e­randoholona malagasy. Tsi­a­hi­vina fa anisan’ny nanome tanana an’i Madagasikara ta­min’ny fiatrehana ny ady tamin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 i India. Teo koa ny fanampiana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy.

R. Nd.

Partager sur: