Saxophone : zavamaneno anisan’ny manaingo ny hiran’ny mpanakanto

Zavamaneno, anisan’ny mbola tanora eo amin’ ny sehatry ny zava­kanto, in­drin­­dra ny eto Mada­gasikara ny Saxo­phone . Manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolon’ ny “pop” sy ny “jazz” maneran-tany izy io.

“Tena akaiky indrindra amin’ny feon’olombelona amin’ireo zavamaneno rehetra misy maneran-tany ny saxophone”, hoy i Andry, mpitsoka saxophone, raha nanontaniana. Nilaza izy fa manome harena be dia be, indrindra manamora ny fampitana ny feo mafy sy henjana ho lasa feo malefaka sy mahafinaritra any amin’ny mpihaino izany. “Ahafahana maneho ny fihetseham-po rehetra ihany koa ny feo avoakany”, hoy hatrany izy. No­hamafisiny fa feo iray ihany no avoakany ary manaingo ny hiran’ny mpanakanto i Andry no tena asan’ity fitsoka ity. Ankoatra izay, afaka milalao feon-kira hatramin’ny farany ihany koa izy io. Tsy mitovy amin’ny mozika hafa toy ny Guitare sy ny Clavier fa misy fotoana hametrahana azy ihany koa. “Amin’ny maha feo iray azy dia mila mahay mozika hafa aloha, ahaizana mandahatra ny fitsofana sy mampiaraka azy amin’ny mozika hafa”, hoy hatrany izy.
Zavamaneno tsofina ny saxophone. Izay noforonin’i Adolphe Sax ary nanomboka naseho tany Paris, ny taona 1846. Iray tamin’ireo olo-ma­laza indrindra amin’ny fanamboarana zavamaneno tsofina (instrument à vent) tamin’izany izy. Matetika vita amin’ny varahina, volafotsy, plastika na voapetaka volamena io karazan-javamameno iray io. Tany am-piandohana, natokana ho anisan’ny zavamaneno klasika ny saxophone. Tsy nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny tontolon’ny orches­tres classiques izy io anefa tamin’izany. Ankoatra izay, tsy dia nalaza toy ny zavamaneno tsofina hafa rehetra ihany koa izy io. Toy ny flûte traversière, clarinette, hautbois… Nanomboka tafiditra teo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny saxophone, tamin’ny taonjato faha-19. Tamin’ny taona 1920, niditra teo amin’ny tontolon’ny “jazz” sy ny “pop” ny saxophone tamin’ny fotoanan’ny bigbands. Nahasarika mpihaino marobe izy io ary singa iray tena nampiasain’ny mpanakanto teo amin’ny tontolon’ny “Jazz”.

Nitetezana faritra maro

Nolovaina tamin’ny ray aman-dreny ny fahaizany mi­tsoka Sax, raha ny fanadihadiana natao. Mora ny fianarana sy ny fifehezana azy no ho ireo traikefa maro ananany. Ho an-dRandriamihajasoa Miantsa, mpitsoka saxophone, manokana, anisan’ny nahatety faritra maro teto amin’ny Nosy izy ary efa nandalo nanao fampisehoana maro tany ivelan’i Madagasikara ihany koa. “Nanomboka niaina sy nitendry mozika hatry ny mbola kely satria mpampianatra mozika ny ray aman-dreniko”, hoy izy. Nanomboka nianatra mozika tao an-trano teo amin’ny faha enin-taonany. Nihaino mozika sy nikitika zavamaneno teny foana satria nahitana izany ihany koa tao an-tranony. Nianarany avokoa ny karazana mozika rehetra nisy tamin’izany fotoana. Toy ny batterie, piano, valiha, kabosy, sodina… Ny rainy ihany no nampianatra azy tamin’izany. Nampiana-tena mahakasika ny saxophone, nanomboka ny taona 2015. Nohamafisiny fa tsy mbola misy “conservatoire” eto Madagasikara, fa mampiana-tena no atao. “Nitendry mozika rehetra izy fa niompana tamin’ny fitsofana saxophone rehefa taty aoriana hatramin’ izao satria tiako kokoa izy io raha oharina amin’ny mozika hafa”, hoy hatrany izy.

Ampivadiana amin’ny hira malagasy

Mozika vahiny fa tsy malagasy ny saxophone. Tsy tena nampiasaina loatra teto Madagasikara izy io. Ny clarinette sy ny trompetra no nampiasaina tany anaty hiragasy, tamin’ny andro fahiny. Efa miezaka mampivady izany, amin’ny fampiasana azy io amin’ny hira malagasy, ny mpanakanto sy mpanao mozika amin’izao fotoana izao. Manomboka mivelatra ary ahitana ny fitsofana saxophone avokoa ny gadon-kira rehetra misy ankehitriny, raha ny zava-misy. Amin’ny ankapobeny, maharitra eo amin’ny 7 volana eo ny fahafehezana ny fitsofana azy, arakaraka ny fahazotoan’ny ankizy, raha ny fanazavana hatrany.

Ilaina teknika
Sady fialamboly no asa fivelomana ny fitsofana saxophone ho an’ireo misehatra eo amin’ny tontolon’izany. Ilaina teknika ny fitsofana azy io. Mety ho vizana ny molotra rehefa ela. Nilaza ireo mpanakanto nanontaniana fa ilaina ny fahadiovan’ny mozika tsofina satria mety hitondra tsy fahasalamana eo amin’ny vatan’ny olombelona ny cuivre aminy. Ilaina fitiavana ny fitsofana ity zavamameno iray ity raha te hahafehy azy. Mila faharetana be sy tsy maintsy mazoto mianatra hampitomboana ny traikefa azo ihany koa. “Ankoatra izay, mety misy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny olona iray ny tsy fahaizana mitsoka saxophone sy ny tsy fitandreman’ny olona mitsoka izany”, hoy hatrany Randriamihajasoa Miantsa.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: