“Akademia Malagasy: sehatra avo lenta ifampizarana amin’ny rehetra ny fahalalana an’i Madagasikara sy ny Malagasy”. Teny filamatra nosafidin’ireo mpikambana mahefa, nitondrana ny fanamarihana ny faha 120 taona io. . Nofaranana tamin’ny lanonana, izay nandraisana ireo mpikambana vaovao izany, tetsy amin’ny foibe etsy Tsimbazaza, omaly. 2 no noraisina ho mpikambana mahefa. 10 mianadahy noraisina ho mpikambana mpiombon’antoka. 7 ireo mpifandray sokajy Haikanto sy Hailaza. 5 mpifandray ao amin’ny sokajy Hairaha fototra ary 4 mpifandray ao amin’ny sokajy Hairaha Ampiharina. Anisan’ ny vaovao lehibe voalohany nampahafatarin’ny Akademia Malagasy io.
Vaovao faharoa, dingana manaraka ny fananganana ny sampana any Toamasina sy Antsiranana. Noho ny tsy mbola fitsanganan’ireo sampana ireo no tsy nisian’ny hetsika fankalazana tany tamin’ity. Ao anatin’izay fivelarana izay ihany, “hatao tanjona ny hananan’ny Akadema sehatra ho eken-teny ka afaka manapa-kevitra. Hatao indrindra anomezana lanja sy hanandratana ny teny malagasy izany. Andraikitry ny Akademisianina, hoy izy, ny mitana ny soatoavina malagasy sy ny manandratra ny teny malagasy”, hoy ny nambaran’ny filoha lefitry ny Akadema Malagasy, Nalisoa Ravalitera. Vaovao lehibe manaraka ihany koa ny fahavitan’ny boky faharoa Rakibolana rakipahalalana rehefa avy nahitsy sy notovanana, ka havoaka tsy ho ela.
Tsiahivina hatrany fa mijoro amin’ny fandalana ny hairaha amin’ny lafiny rehetra sy ny fikarohana mikasika ny maha Malagasy ary ny fahalalana marolafy momba an’i Madagasikara ny Akademia Malagasy. Tsy miankina amin’ny fetran-taona no hahafahana miditra ho mpikambana, fa manaraka ireo fepetra samihafa, ka lehibe indrindra amin’izany ny fanaovana fikarohana.
Zo ny Aina