Samia masina amin’ny teniny: sarotra homen-danja ny fandikan-teny

Misy boky voasoratra amin’ny teny vahiny, adika amin’ny teny malagasy. Ao ny boky amin’ny teny malagasy hadika amin’ny teny vahiny. Mety tsy ho boky iray manontolo koa anefa fa mety ho lahatsoratra na tononkalo iray na roa no adika amin’ny teny hafa. Misy fiantraikany any amin’ny hasin’ny soratra izy ireny.

Mpanoratra anisan’ny ngezalahy i Dox. Na izany aza, tsy nijanona tamin’ny famoahana ny aingam-panahiny izy fa nandika ny sanganasan’ny mpanoratra teratany vahiny ihany koa. Tsy nijanona tamin’ny soratra voarakitra anaty boky ihany ny tranga tahaka io fa tononkira maro. Hira noforonina mpanakanto vahiny, navadika (nadika) amin’ny teny malagasy, nohiraina amin’ny teny malagasy, avy eo. Nitohy tamin’ny kabary ny fandikan-teny. Kabary amin’ny teny malagasy, voarakitra ao anaty boky, nadika amin’ny teny vahiny. Nanjary niaina miaraka amin’ny zavakanto sy kolontsaina malagasy ny fandikan-teny. Toa zary voninahitra sy laza lehibe ny fananana sanganasa voadika amin’ny teny vahiny. Na, nandika ny sanganasa vahiny, amin’ny teny malagasy. Ilay voasoratra amin’ny teny vahiny nadika amin’ny teny malagasy, mety tsy mampiraika ny Malagasy, loatra, angamba. Na, mampiraika ihany fa miompana any amin’ny fahaiza-mandika (fitsipi-pitenenana, anarana, …). Fa ilay voasoratra amin’ny teny malagasy nadika amin’ny teny vahiny, ahoana ?

Very hasina ny rehetra
Tsy misy teny vahiny mahadika ny « fihavanana », « kobaka », « fanahy », « lonjony », « laka », sns. Noho izany, an-tery ihany ny fandikana ny teny tahaka ireo amin’ny teny vahiny. Tsy vitsy anefa ny mpanoratra teratany malagasy no mampiasa ny teny malagasy itoeran’ny aingam-panahy malagasy. Vokany, simba sy rava ary mety ho faty tanteraka ny hasina ananan’ny rehetra. Anisan’izany ny teny, ny olona (mpanoratra, mpamaky na mpanjifa ny tontolon’ny soratra), sns. Miha maivana ny asa soratry ny Malagasy. Ho diso fiheverana ny vahiny fa iny soratra voadika amin’ny teniny iny no tian’ny mpanoratra ambara. Fahasahiana mihoapampana, ohatra, raha ny sanganasan’i E.D Andriamalala na ny an-dRanja Zanamihoatra na ny an’i Zokibe Rams (Rabearifeno Albert) no hadika amina teny vahiny. Tahaka izany ihany koa ny tononkiran’ny tarika Razafimahefa na ny an-dRainizanabololona.
Mila fitandremana fatratra ny fanatanterahana fandikan-teny. Inona no maha maika amin’io ? Misy antony hafa ankoatra ny fampivelarana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ve ? Sa, ve ilay fahaizana teny vahiny no manery ny « sasany » hanao ny fandikan-teny ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: