Atao eto Antananarivo, omaly sy anio 30 novambra 2022 ny atrikasa iarahan’ny minisiteran’ny Indostria, varotra sy fanjifana (MICC) miaraka amin’ny Pnud sy ireo mpandraharaha samihafa. Voakasik’izany ny fanalalahana ny tsenam-barotra aty Afrika (ZLECAF). Hiroso amin’izany ve isika eto Madagasikara sa tsia ?
Dinihina ny tanjaka eto Madagasikara raha hiditra hifaninanana amin’io tsena io. «Tsy maintsy mila matanjaka ny toekarentsika, ohatra, manana orinasa afaka manodina ny vokatra eto an-toerana, vao amidy any ivelany. Satria tsy misy amin’io tsena io ny haban-tseranana ka hampihena ny vola miditra amin’ny fanjakana, noho izany, tsy maintsy lanjalanjaina tsara», hoy ny minisitra Razafindravahy Edgard, misahana ny varotra.
Lohahevitra iray koa ny fahazoan’ny sehatra tsy miankina famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa isan-karazany, ny fampiasam-bola eto an-toerana sy fomba fanohanana ireo orinasa madinika (PME). Jerena akaiky ireo vehivavy mpandraharaha sy ny tanora.
Tsena goavana ny ZLECAF, ahitana mpanjifa miisa 1,3 miliara, ahafahana mamorona asa eto an-toerana, mety hampahatanjaka ny ariary, hampitombo ny vola miditra avy amin’ny varotra, hidirana amin’ny rojom-piharina (chaîne de valeur) aty Afrika. Rariny raha mbola tsy nanao sonia ny fifanarahana (ratification) i Madagasikara raha tsy teny ierana amin’ny rehetra. Nambaran’ny minisitra fa matiantoka isika raha be ny miditra noho ny aondrana. Koa tsy maintsy matanjaka isika miatrika ity ZLECAF ity.
Ndrina
ZLECAF* : Zone de libre-échange continentale africaine