Efa naneho ny heviny ny vahoaka tamin’ny fifidianana teo. Tao ny tsy nifidy, ny vato fotsy, ny nifidy kandidà iray… Efa nivoaka ny didim-pitsarana ny amin’izany. Inona na ahoana koa ny manaraka? Ahoana ireo tsy manaiky didim-pitsarana? Na mikiribiby amin’ny heviny nefa efa notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana… Mbola hisy vahoaka ho azo amin’izany ve? Ny fiatrehana ny fiainana isan’andro vaky mandavantaona izao no zava-dehibe
sy mahamaika ny vahoaka ifotony: ahoana amin’izay ny amin’ny fanakaikezana vahoaka, ny sosialim-bahoaka… ? Fanatanterahana izay nampanantenaina sy ny fanamby izany.
Tsy ny olan’ny mpanao politika hatrany no mibahan-toerana sy vahana, fa eo indrindra koa ny olan’ny vahoaka izay antom-pisian’ny fitondram-panjakana, loharanom-pahefana, tompon’ny teny farany, masi-mandidy… Mbola fanapahan-kevitra iray ny amin’izay fanoherana ny didim-pitsarana momba ny fifidianana izay na ny safidim-bahoaka? Lazaina mandrakariva ho fanakorontanana. Tsy inona fa fanoherana. Karazana fihodinana faharoa taorian’ny fifidianana? Fihodinana voalohany ny fitaomana olona tsy hifidy; fihodinana faharoa ny fanoherana voka-pifidianana, ny fiheverana ny fifidianana ho toy ny tsy misy…
Ny vahoaka ihany no tompon-tsafidy sy tompon’ny teny farany ny amin’izay: ho aiza na hanao inona? Resaka ka ampiadiana. Fa raha misy ny fahendrena
amin’ny fandinihan-tena amin’ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena, mazava be ny hoe mankaiza ny fironan’ ny vahoaka? Na ny maro anisa ahay… Koa inona indray ny hoe fihodinana faharoa? Tsy inona fa karazana fihodinana na fikomiana faharoa. Mety ho mafy sy sarotra no ho tamin’ny fihodinana voalohany ny tsy fahombiazana sy fahavoazana? Aza hita, aza atao mahita…
R. Nd.