Eo amin’ny tontolon’ny hira, misy ny olona na ny orinasa, tsy manana asa aman-draharaha ankoatra ny mikarakara hetsika (lanonana, fety, …)… Ankehitriny, manomboka miseho amina endrika « fanerana », izany, ho an’ny kabary.
Efa zary mahazatra ny sofina ny maheno ny teny hoe : « manera » na « mpanera » na « mpijirika ». Ilay olona manelanelana eo amin’ny varotra ifanaovan’ny tompon’entana sy ny mpividy izy io. Manomboka mipoitra tsikelikely eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy izany ankehitriny. Tsy ny tompon-draharaha no miresaka mivantana amin’ny mpikabary fa olon-kafa. « Na, avy ao amin’ ny fianakavian’ireo hatao raharaha, na olon-kafa mihitsy ny manera », hoy i Diasy Rakoto, anisan’ireo mpikabary niharan’ilay fanelanelanana.
Nohazavainy fa « raha
150 000ar, ohatra, ny maka mpikabary ho an’ny mpamoaka. Miady varotra fatratra ilay mpanera. Misy tongany hatrany amin’ny 60 000ar na 80 000ar izany, raha tsy mitandrina tsara ilay mpikabary. Vitan’ ireny mpanera ireny ny tsy mampihaona ny tompon-draharaha sy ny mpikabary. Vitany ihany koa ny miady varotra any amin’ireo tompon-draharaha ».
Misy tranga mampieritreritra
« Tahaka izao no nahafantaran’ny mpikabary fa mpanera ilay olona nifampiraharaha taminy. Rehefa tonga any amin’ny tokantrano hanaovana ilay raharaha ianao (na mangataka na mamoaka), dia tazanao avy hatrany ny fisian’ ny fifanoherana. Fianakaviana manam-bola, manan-karena no tompon-draharaha, kanefa, ilay niresaka taminao, olona niady varotra be tsy nisy
tahaka izany. Tranga mampieritreritra ! », hoy hatrany ity mpikabary ity. Nohazavainy ihany koa fa « tsy ny fianakaviana tompon-draharaha mivantana no manolotra ilay hasina ho anao fa ilay olona nanatanteraka ny ady varotra no mipoitra avy any ananona any ».
… Ary raha hasiana lamina mazava tahaka ny eo amin’ny tontolon’ny hira ve ny kabary, mety hanao ahoana ny fiantraikany ?
HaRy Razafindrakoto