154 000 na 0,6% amin’ny mponina eto Madagasikara no manana fahasembanana ara-batana, ara-pahitana, ara-pihainoana, ara-tsaina, araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny RGPH-3, tamin’ny taona 2021.
Maro karazana ny fahasembanana mahazo sy miseho eo amin’ny olombelona. Misy ireo sembana hatrany am-bohoka, ny fahasembanana ara-tsaina sy ara-batana. Eo koa ny loza na aretina nihatra tamin’ny olona iray ka niteraka ny fahasembanana eo amin’ny vatany.
Manomboka amin’ny fahazazana, eny anivon’ny fiarahamonina, mitohy any an-tsekoly ary hatrany amin’ny tontolon’ny asa, ny hiainan’ny olona manana sembana ireny sakana ireny, raha ny fanadihadiana natao. Misy ny sakana avy amin’ny tenany. Sakana voalohany ho azy ireo ny fahitany ny toe-batany. Sakana ihany koa ny eny anivon’ny tokantrano sy eny anivon’ny sekoly. “Heverin’ny olona fa mikarakara tokantrano ny anjara andraikitr’izy ireny ka tsy tokony handrato fianarana toy ny rehetra”, hoy ny tovovavy iray manana fahasembanana nanontaniana. Misy ihany koa ny sakana avy amin’ny fotodrafitrasa, izay tsy mifanaraka amin’ny toe-batan’izy ireny. Mitarika azy ireo tsy handroso izany, ka ilana fanentanana sy fandraisan’andraikitra eo amin’ny tsirairay. Olana mbola atrehin’izy ireny ihany koa ny tsy fahampian’ny fandraisana an-tanana. Na efa maro aza ny fikambanana mandray an-tanana sy miahy azy ireo.
Vokany, mangataka eny amoron-dalana ny asa fiveloman’izy ireny amin’ny ankapobeny. Indrindra ho an’ireo olona manana fahasembanana ara-pahitana sy ara-batana, raha ny zava-misy eto Madagasikara no jerena. Antony mahatonga izany ny fanilikilihana azy ireo, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa marolafy eo anivon’ny orinasa.
Kivy amin’ny fitadiavana asa
Maro amin’ireo olona manana sembana no kivy amin’ ny fitadiavana asa, noho ny fahasembanana mahazo azy. Iharan’ny fanilikilihana eny anivon’ny sehatry ny asa sy ny orinasa izy ireo ka antony mahatonga izany, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Na mahafeno ny fepetra takina amin’ny tolotrasa misy aza. “Manana ny fahaiza-manao mahakasika ny tolotrasa nandefasako antontan-taratasy teny anivon’ny orinasa iray teto Antananarivo aho”, hoy ny tovolahy iray tsy nitonona anarana, manana fahasembanana nanaovana fanadihadiana, dia tsy voaray. Nilaza izy fa nanana fahaiza-manao sy traikefa momba io asa io saingy niharan’ny fanilikilihana avy hatrany teo am-panaterana ny antontan-taratasy. “Betsaka ny olona tsy mandray anao raha vao mahita ny toe-batanao satria tsy mitovy amin’ny olon-drehetra”, hoy hatrany izy.
Sembana fito miasa amina orinasa iray
Mahavita asa tsara izy ireny rehefa omena fitaovana mahakasika izany… Ilaina koa ny fampiofanana mba hahafahan’izy ireo mamaly ny filàn’ny orinasa sy ahafahany mahavita ny asa ankinin’ny orinasa aminy.
Olona manana fahasembanana miisa 7 miasa eo anivon’ny orinasa Savonnerie tropicale amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra voaray tamin’ny tomponandraikitra iray teny an-toerana. “Misy ihany ireo olona manavakavaka sy manilikilika azy ireo eny anivon’ny orinasa fa ezaka ataon’izy ireo ny mampahafantatra fa tokony hoekena avokoa ny hatsarana sy ny tsy fahatomombanan’ireny olona manana fahasembanana ireny”, hoy ny mpiandraikitra ara-barotra eo anivon’ny orinasa Savonnerie tropicale, Rabeninara Eugenie. Tanjona ny ahafahan’izy ireny hivelona toy ny olon-drehetra mba tsy ho vesatra eny anivon’ny fiarahamonina misy azy.
Ankoatra izay, efa maro amin’izy ireny koa ny miasa eny anivon’ny sehatrasa maro isan-karazany. Toy ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana, ny fanjairana … Misy ireo mifampiraharaha amin’ny orinasa amin’ny fanaovana varotra amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera.
Ho fanatsarana ny fiahiana sy fandraisana an-tanana azy ireo, ny fanatsarana ny lalàna laharana faha.79-044, tamin’ ny 2 febroary 1998. Mba hampanarahana izany amin’ny lalàna iraisam-pirenena, araka ny fanazavana nataon’ny minisitra, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireo. Nanentanana ny fikambanana maro samihafa sy ny tomponandraikitra maro samihafa ary ny tsirairay mba hifanohana amin’izy ireny, ka tsy ho vesatry ny fiarahamonina misy azy izy ireo .
Nanatontosa : Mino