Mijaly ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Mitotongana ny vola Malagasy, ny Ariary, mitaha amin’ny vola vahiny. Mitakalo 5000 Ariary latsaka kely ny euro iray. Mazava be ny dikan’izany: tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana ! Mizaka ny vokany ny sarambabem-bahoaka sy ny mpikarama isam-bolana izay mikarama vary masaka. Mihalalina ny fahantrana.
Mifanindran-dalana amin’izay anefa ny fibontsonan’ny poketran’ny manan-katao. Anatin’ny vanim-potoana fanondranam-bokatra mankany ivelany izao. Mandeha ny letisia, misokatra ny fitaovam-piotazana lavanila izay mazava fa misy ny aondrana. Ifampitadiavana any ivelany ny jirofo avy aty Madagasikara. Metimety ny vidiny any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Miditra ny vola vahiny ho an’ny mpandraharaha vitsy.
Raha mijery ireo toe-javamisy roa ireo, izay samy iainan’ny Malagasy dia mipetraka ny fanontaniana amin’izao filalaovana ny sandam-bola izao. Tsy maintsy mamerim-bola vahiny, vidin’entana aty an-tanindrazana ny mpandraharaha, araka ny lalàna. Mazava be fa ankoatra ny takalo ara-barotra any ivelany, sera iray hafa koa ny takalon’ny vola vahiny miditra sy ny mirotsaka any amin’ny kaontin’ny mpanondrana.
Iaraha-mahalala anefa: iza ireto mpanondrana? Inona no ifandraisany amin’ny mpitondra ? Tsy maintsy miaro ny tombontsoany ny mpanambola. Tsy misy resaka tsy fahaiza-mitantana na tsy fahombiazan’ny mpitondra io fa kajy avo lentan’ny « henjana ».
Mety hanafintohana olona maro ny famakafakana, saingy ilana fijery miabo ny famakiana ny zava-miseho eto amin’ny firenena, ankehitriny. Tsy namana ny tendrim-po amin’ny fihariana. Mila mahay mitsoraka amin’ny rano azo ilomanosana raha vao misy ny herijika. Mitombina ho an’ny olona tsirairay izany satria tsy misy ny voaozona tsy hanjary izany.
r.r