Tetikasa Ambatovy: nahazo ny « Label malagasy ny antsika »

Folo taona izao no namokatra nikela sy kobalta ny tetikasa Ambatovy. Namorona asa hatrany amin’ny 12 000 sy tombontsoa maro teto Madagasikara. Vokany, Sendikan’ny indostria eto Madagasikara, Sim, ny mari-pamantarana, “Label malagasy ny antsika” izy.

Feno 10 taona amin’ity taona 2022 ity ny namokaran’ny orinasa tetikasa Ambatovy nikela sy kobalta eto Madagasikara. Niala tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny 8 novambra 2012 ny vokatra biriky madinika nikela voalohany, nitotaly 40 taonina metrika, hamidy any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Koa, mankalaza izany fotoan-dehibe izany ny orinasa Ambatovy. Nilaza ny filohan’Ambatovy, i Gustavo Gomes, fa « lasa orinasa fitrandrahana sy fanondranana harena an-kibon’ny tany lehibe indrindra sy voalohany eto Madagasikara Ambatovy, taorian’ny dingana nanahirana tamin’ny fanorenana ny fotodrafitrasan’ny tetikasa teo amin’ny tany tsy vaky lay, isan’ny lehibe indrindra aty Afrika ».
Maro ny olana nosedraina tao anatin’izay 10 taona izay. Nitotongana ny vidin’ny nikela teo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny krizy Covid-19, ohatra. Na izany aza, maro ny fahombiazana azo, nahatonga an’Ambatovy voalohany isan’ireo mpamokatra nikela sy kobalta dimy voalohany maneran-tany.
Nitondra fampandrosoana leihibe ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’i Madagasi­kara. Mahatratra 12.000 ny asa noforoniny, ka 3.800 asa mivantana, ary Malagasy daholo ny maherin’ny 90%-n’izy ireo. Nataony laharam-pahamehana ny fividianana akora eto an-toerana. Naha­tratra 225 tapitrisa dolara ny zavatra sy servisy novi­dian’ Ambatovy tamin’ny taona 2021. Maherin’ny 450 ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) miara-miasa aminy, mitsinjara amin’ny fihariana 40, miampy tantsaha maherin’ny 3.000, mamatsy voankazo sy legioma.

Reharehan’ny Sim
Noho ireo, notoloran’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara, Sim, ny mari-pamantarana, “label Malaga­sy ny antsika” ny orinasa Am­batovy, ny 29 novambra 2022 teo. Notsorin’ny filohany, Amiraly Hassim, fa reharehan’ny Sim tokoa ny fahombia­zan’Ambatovy. Sa­tria na eo aza ny hasarotan’ny tontolon’ny fandraharahana eto Ma­dagasikara sy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tsapan’ny Sim ny vokatra vitan’Ambatovy”. Nosin­ga­niny koa fa hitan’ny Sim maso ny fahaiza-manaon’ny teknisiana malagasy nandritra ny fitsidihana ny orinasa tany ifotony. Eo koa ny fandraisana anjara lehibe entin’ity orinasa ity, hanatsarana ny fifandanjana ara-barotr’i Madaga­si­kara.
Tafapetraka ny taona 2018 ny “label Malagasy ny antsika”, niarahan’ny Sim sy ny vondrona eoropeanina. Nisy ny fiaraha-miombon’antoka tamin’ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM), miandraikitra ny fanadihadiana mifanaraka amin’ny bokin’andraikitra.
Nanatrika ity fotoan-dehibe ity koa ny filohan’ny Ante­nimierandoholona, Razafi­ma­he­fa Herimanana.

Njaka Andriantefiarinesy

Sehatra maro notohanan’Ambatovy

Fotodrafitrasa: nahatratra 250 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’Ambatovy tany amin’ny faritra iasany (Atsinanana sy Alaotra Mangoro). Fanarenana lalamby, lalana, fanitarana ny seranan’i Toamasina, fanorenana na fanarenana sekoly.
Teo koa ny Tahiry fampiasambola sosialy (FIS), mitentina 25 tapitrisa dolara, namatsiambola tetikasa fampandrosoana sy fotodrafitrasa miisa 17 tany Atsinanana sy Alaotra Mangoro, toy ny Bazaribe Toamasina, tsenan’i Moramanga, sns.
Eo amin’ny lafiny fahasalamana, nitentina 800.000 dolara ny fanomezana fitaovana sy fotodrafitrasa nomen’Ambatovy. Maherin’ny 270.000 dolara ny tohana nomeny niadina tamin’ny tsy iparitahan’ny Covid-19.
Ho an’ny lafiny fanjarian-tsakafo, manodidina ny 2,3 tapitrisa dolara ny fanampiana nomeny ny mponina any ifotony. Maherin’ny 150 ny fikambanan’ny tantsaha sy kaoperativa notohanany.

Partager sur: