Kitro ifaharan’ny toekarena ny jono sady miantoka hatrany amin’ny 25% ny harinkaren’i Madagasikara. Ankehitriny, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola nampidirin’ny lamatra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny jono lamatra. Isan-taona, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana taorian’ny fanatsarana ny sehatra nanomboka ny volana desambrea 2021. “Manodidina ny 50.000 taonina isan-taona ny lamatra mandalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara ao anatin’ny telo ka hatramin’ ny dimy volana”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, nandritra ny atrikasa nataon’ny minisitera tetsy Ankorondrano. Nilaza izy fa aondrana ny 25.000t amin’ izany. Mbola vitsy ihany koa ny Malagasy nahazo fahazoan-dalana manjono lamatra noho ny tsy fananana fitaovana iasana amin’izany. Noho izany, miisa 39 ireo orinasa manana ny fahazoan-dalana ka dimy amin’ ireo ihany no Malagasy. Mila sambo matanjaka ny fanjonoana lamatra noho izy mandeha hatrany amin’ny 40 km/ora, araka ny fanazavana voaray.
Mila hatsaraina
“Miantoka ny 22 ka hatramin’ny 25% ny harinkarena eto Madagasikara ny toekarena manga. Tanjona ny hampiakarana izany hatrany amin’ ny 40% hatramin’ny taona 2030”, hoy hatrany ny minisitra. Fotoana izao, hoy izy, hitrandrahana ny tombony ara-toekarena ny tontolon’ny jono, fiompiana sy famokarana anaty rano sy ny tontolon’ ny loharanon-karena manga hafa. Tanjon’ny atrikasa ny hifampizarana ny antontam-baovao nanehoana ny mangarahara sy hahafahana manatanteraka ny paikady vaovao azo ampiasaina hanatsarana ny jono lamatra amin’ny taona 2024. Ao anatin’izany ny politika fiarovana ny lamatra aty amin’ny ranomasimbe indianina sy ny lalan’ny sambo vahiny rehefa manjono.
Henintsoa Hani