Notanterahin’ny tetikasa AD2M sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy fiompiana (DRAE) Melaky, ny 12 desambra teo, tany amin’ny Antsalova, ny fandraisana vonjimaika ny fahavitan’ny asa fanajariana ny lemak’i Beboka.
30 taona lasa izay, afaka namboly vary tamin’ny andaniny roa amin’ny reniranon’i Beboka ny mponina any amin’ ny kaominina Ampamoty, Saririaka, Masama, Arindrano, ao amin’ny distrika Antsalova. Namboly indroa isan-taona ny tany amin’ny tanànan’i Paparanjy, izay nanana lakandrano. Niato ireo taty aoriana, satria nihalalina ny renirano, tsy azo nambolena intsony ny manamorona azy, ary nifindra monina namonjy ny lemaka andrefana ny mponina, any amin’ny kaominina Masoarivo.
Nanomboka ny taona 2016 ny asa fanajariana ny lemak’i Beboka ao anatin’ny tetikasa AD2M, eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae). Mitentina 8 miliara Ar ny nampiasaina, avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena hampiroboroboana ny fambolena (Fida). Napetraka ny fotodrafitrasa manondraka ny velaran-tany (PI), hatrany amin’ny 1.600 ha amin’ny fotoam-pambolena mahazatra ary 500 ha amin’ny tsy mahazatra. Mahatratra 6.300 taonina ny voka-bary andrasana.
Miisa 1.346 ny tokantrano hisitraka ity fotodrafitrasa ity, ahitana fikambanana mpampiasa rano dimy, hiantoka ny fikojakojana azy.
Njaka A.