Miaina anatin’ny vanim-potoanan’ny fety ny mponin’Antananarivo. Samy miomanomana na ny manan-katao na ny sahirana. Ny mpanambola efa milahatra any amin’ny mpanjaitra. Efa hilaharana ny mpanao taovolo sy ny mpanamboatra tarehy. Manginy fotsiny ny fandaniam-bola amin’ny fidirana trano fikotranana mba manefinefy bika.
Etsy ankilan’izany, ireo miady amin’ny fiainana. Tsy misy manaiky lembenana. Miezaka ny mampifalifaly ny ankizy. Mividy lamba tonta iray na roa dia ampy. Hita taratra amin’ny andavanandron-dRamalagasy, indrindra ho an’ny raim-pianakaviana, ny firotorotoana. Mandeha daholo ny kajikajy isan-karazany mba hahazoana ny sitrany ahay. Mba tsy hahandro fotsy ny kilonga amin’ny androm-pamonjena.
Mifanindran-dalàna amin’izany ny mahakasika ny lamina sy ny fahadiovana eto an-tanàna. Mampiteny ny tsy mahay miteny ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Mazava ho azy, mihitsoka miaraka amin’izay ihany koa ny asa fihariana. « Vola ny fotoana », hoy ny fitenim-bazaha… tokony hanaraka izay koa ny tetikadim-pampandrosoana hoenti-miala amin-drafahantrana.
Tiana hitondrana teny kely, anio, ny fomba fizarana ireo fanampiana ny fianakaviana marefo. Sanatrian’ny vava manao volo manoha-randrana ka manamaloka ny fifalian’ny sasany. Tokony ho jerena ny tombontsoan’ny besinimaro. Maro ny mpampiasa lalana no maty antoka noho ny fikatsoan’ny lalana maro teto an-drenivohitra, omaly. Nahita faisana ny mpitatitra sy ny mpandeha. Maro tamin’ny mpilahatra jiro no nibahana ny lalana. Nifarombaka laharana ka tsy nahatsiaro intsony fa eny amin’ny arabe izy ireo. Ny sasany tezitra ka nisompatsompatra fahatany.
Ilana lamina izany fa tsy sanatrian-dresaka ny samy madinika indray no hifanimba sy hifamotika noho ny tombontsoa mampizarazara.
r.r