Firoboroboan’ny teknolojia : mbola misy banga ny fanabeazana eto Madagasikara

Mbola misy banga be ny fanabeazana eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana natao ta­min’ny Psycho­lo­gue. Indrindra amin’izao vanim-potoana hihazakazahan’ny fivoaran’ny teknolojia izao.

«Voakasik’izany avokoa ny fanabeazana any an-tokantrano sy any an-tsekoly”, hoy i Olivier Rakotomalala, Psycho­logue. Manomboka any amin’ ny kilasy “maternelle” hatrany amin’ny ambaratonga ambony izany. Antony nahatonga azy ireo resy lahatra hiara-hiasa amin’ny karazana sehatra maro. Toy ny sekoly, orinasa…

Amin’izao vanim-potoana izao, anisan’ny mamolavola ny toe-tsain’ny tanora sy ny ankizy ny internet sy ny tambajotra sosialy. Misy andraikitra lehibe ho an’ny Psycho­logue manoloana izany. Mampaha­fan­tatra sy miara-miasa amin’ ireo sokajina mpanabe misy izy ireo amin’ny fanatanterahana izany. Olana eto amin’ny firenena ny fahadisoan’ny ankizy safidy mahakasika ny lalam-piofanana arahin’izy ireo. Matetika tsy mbola mahafantatra ny asa tiany hatao rehefa any aoriana ny ankamaroan’ny ankizy malagasy. Nilaza ny Psychologue fa misy toetra tokony hifanaraka amin’ny olona tsirairay avy ny asa tiany hatao. Manampy amin’ny fisafidianana ny asa sy fahafantarana ny talenta tiana hataon’ny ankizy rehefa lehibe ihany koa izy ireo. “Ezahina fantarina dieny mbola kely ny talentan’ny mpianatra sy ny ankizy iray, mba hamenoana izay banga izay”, hoy hatrany izy. Fa tsy avela manao ny lalam-piofanana tiany sy ataon’ny namany. Nefa lalam-piofanana hafa ny manavanana azy. Mba hahafantarana izany, mampiasa ny test psychologique ny eny anivon’ny sekoly. Aha­fa­hana mamantatra ny lalam-piofanana manavanana azy kokoa. Tsy maintsy arahi-maso tsara ihany koa izy ireny mandritra ny fotoam-pianarana. Rehefa hita sy fantatra izay taranja manavanana azy, taritina moramora mankany amin’ny lalam-piofanana tokony harahiny ny sainy.

Mihakely ny taonan’ny ankizy afaka Baccalauréat
Zavatra tsapa eto amin’ny firenena ankehitriny ny fahakelezan’ny taonan’ny ankizy afaka fanadinana baccalauréat, raha ny zava-misy. Ma­tetika 14 na 15 taona ny ankamaroan’izy ireny. Mandingana kilasy maromaro izy ireny, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Ankoatra izay, ny ray aman-dreny mihitsy no nanery azy ireo handingana kilasy. Mba hahavita ny fianarana aloha. “Miteraka olana maro samihafa eo amin’ny fiainan’ ny ankizy any aoriana anefa izany”, raha ny fanazavan’ny Psychologue, nanontaniana. “Mbola ao anatin’ny fotoan’ny fialana sakana avokoa izy ireny, hany ka sahirana ny mpampianatra mandray azy ireo eny anivon’ny ambaratonga ambony”, hoy izy. Nilaza ihany koa izy fa sahirana ihany koa ny mpampiasa handray azy ireny, noho ny taona mbola kely loatra.
Ankoatra izay, ny fidiran’ny kolontsaina vahiny sy ny fandrosoan’ny teknolojia eto Madagasikara.

Psychologie, fitsaboana amin’ny alalan’ny teny

Manan-danja be ny teny eo anivon’ny olombelona sy ny fiarahamonina tsirairay avy. Matetika misy ny teny mandratra, afaka manasitrana ihany koa anefa izany. Misy ratram-po mitranga eny anivon’ny fiarahamonina vokatry ny fifampiresahana. Toy ny teny mahery, ny fanambaniana… Amin’ny alalan’ny teny ihany koa no amoahana ny alahelo tsy zaka. Manoloana izany indrindra, no hiasan’ny Psychologue. Olona nianatra manokana momba ny fahafantarana ny toetoetry ny olona izy ireo. Miezaka mamantatra ny fihetsiky ny olombelona rehefa niha nandroso ny fianarana mahakasika ny atidoha teto amin’izao tontolo izao, raha ara-tantara.
Tsy entina hitsaboana ny olona marary saina fa hanampiana ny olombelona tsirairay avy, hahafantatra sy hampivoatra ny maha izy azy sy ny maha olona azy ny anjara asan’ny Psychologue, raha ny fanazavana voaray. Tsy mitsabo amin’ ny alalan’ny fanafody izy ireo fa mitsabo amin’ny alalan’ ny  Psychothérapie. Izany hoe, amin’ny fomba efa voadinika sy ampiasaina amin’ny alalan’ny fifampiresahana ihany.

Taranja ampiasaina amin’ny sehatra maro samihafa
Ankoatra izay, ampiasaina amin’ny sehatra maro samihafa ihany koa ny Psychologie. Toy ny sehatry ny fanabeazana, ny varotra, ny orinasa… Raha ho an’ny fanabeazana manokana, hamantarana ny fitomboana ara-dalàna eo amin’ny za­za iray. Entina hamantarana ny zavatra tokony ho hainy, araka ny salan-taonany, ihany koa. Handaminana ny olana mahazo sy mitranga eo anivon’ny tokantrano ka misy akony amin’ny fianarany. Raha eo amin’ny sehatry ny varotra indray. Entina mampiroborobo ny lalam-barotra ny fampiasana azy. Miseho amin’ny alalan’ny loko sy ny teny ampiasaina. Raha eny anivon’ny orinasa indray. Miasa indrindra amin’ ny fotoana andraisana mpiasa vaovao eo anivon’ny orinasa izany.
Marihina fa efa maro ny Psychologue miara-miasa amin’ ny sekoly, hanampina ny mpianatra. Tanjona ny hanomezana tolotra izay mamaly ny filàn’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny.

Nanatontosa : Mino

 

 

Partager sur: