Loza mitatao ho an’ny tontolo iainana, indrindra ho an’ny olombelona ny faharipahan’ny ala. Anisan’ny iharan’ izany fahasimbana sy fahapotehina izany ny ala eto Madagasikara. “Tsikaritra mivantana izany fihenan’ny ala izany, raha vao mandeha lalam-pirenena fotsiny, indrindra rehefa mandeha fiaramanidina. Ary na ny ala atsinanana aza ho ritra”, hoy ny profesora Rasamoelina Henri, mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo. Maro ny antony mahatonga izany, ary maro ihany koa ny vokatra aterany. Doro tanety, ny teknikam-pambolena “Tavy”, ny fitrandrahana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna ny ala no antony fototra mahatonga izany fihenan’ny ala sy ny fahasimbany izany. Efa maro ny akon’izany fahapotehina izany, hita ankehitriny. Anisan’ izany ny tsy fisiana sy fahasarotan’ny fahazoana rano. Eo ihany koa ny aretin’ny taovam-pisefona maro samihafa. Araka ny nambaran’ ny Pr Rasamoelina Henri, ny 9% amin’ny toerana tokony hisy ala sisa no misy ankehitriny. Raha ny tokony ho izy anefa dia farafahakeliny 35%, izany hoe, 16 tapitrisa ha no misy ala mba ho ara-pahasalamana ny tontolo iainana.
Misy ny tolokevitra naroson’ ity mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo ity, manoloana ny faharipahan’ny ala. Anisan’izany ny fanamboarana ny lalàna mifehy ny ala sy ny fitrandrahana izany. Eo ihany koa ny fanaovana izany fanarenana sy fikajiana ny ala izany ho laharam-pahamehana. “Ekena fa efa misy ny politikan’ny fanjakana amin’ny fambolena hazo isan-taona, saingy tokony hatsaraina ny fanatanterahana izany mba hahitana vokatra haingana”, hoy ny Pr Rasamoelina Henri.
Lin