fankalazana ny Krismasy : anisan’ny ravaka tsy misaraka amin’ny fety ny hazonoely

Akaiky ny Krismasy, mandravaka ny tokantrano, amin’ny alalan’ny hazonoely sy karazana kilalao maro samihafa, ny olona. Natao hampifaliana ny ankizy ny tena antony mahatonga azy ireo manao izany.

Andro sisa no isaina dia hiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny Noely na Krisma­sy ny firenena maneran-tany. Anisan’ny mankalaza izany ihany koa i Mada­gasikara.
Fety natao hankalazana zava-baovao sy fiavian’ny ma­zava ny atao hoe Noely, raha ara-piforonan-teny. Avy amin’ ny teny roa « Noio » midika vaovao sy « hel » izay midika masoandro ny teny hoe : Noely. Ny Romanina no nankalaza izany voalohany, ta­min’izany fotoana izany. Fety kristianina araka ny tetiandro gregoriana ny Noely. Anisan’ ny fety mampiray hina ny mpianakavy sy mampiravoravo ny ankizy ihany koa izy io. Nanana ny fombafomba ara-pivavahana izy ireo talohan’ny nankalazana ny fetin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Ni­voatra ny tantara ka nampitoviana tamin’ny andro Krisma­sy izany. Ka lasa natao ta­min’ny 25 desambra ary nankalaza izany avokoa ny firenena rehetra.
Anisan’ny akora iray tsy afa-misaraka amin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy ny hazonoely. Anisan’ny akora fototra nentina nankalazana io fety io ny “sapin” na hazo­noely. Noho izy io hazo tokana hany maniry amin’ny va­nim-potoan’ny ririnina. Niseho tamin’ny taonjato faha-16 tany amin’ny faritanin’i Allemagne ny hazonoely voalohany indrindra. Hazo « kypreso » nijoro teo anoloan’ny Ka­tedraly Strasbourg, tamin’ny taona 1539 izy io. Nampi­haingoina tamin’ny alalan’ny paoma izany, tamin’io andro io. Taty aoriana, samy nampiasa izany avokoa ny firenena rehetra, mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely.
Nentina nankalazana ny fahaterahan’ny masoandro. Mariky ny aina ny hazo, ka antony nampihaingoana izany tamin’ny andro taloha. Lasa nankalazaina tamin’ny andro mitovy ny andro nahaterahan’ny mpamonjy. Lasa fombafomba maneran-tany izany nanomboka teo. Nanaigo azy tamin’ny alalan’ny vatomamy, kilalao maro samihafa… ny olona. Anisan’ny mampiavaka azy ny fisian’ny kintana kely eny amin’ny tendrony ambony. Marika hamantarana ny fisian’ny kintana nitari-dalana ireo magy tamin’ny fahaterahan’ny Mamponjy.
Ankoatra izay, akora tsy afa-misaraka amin’ny fankalazana ny andro Noely ihany koa ny “guirlandes”. Ahitana endrika maro samihafa sy loko samihafa izany. Mano­didina ny 1000 hatramin’ny 2000 Ariary ny vidin’ny iray amin’izany, amin’ny ankapobeny. Nahitam-piakarany kely ny vidin’entana, raha ny ta­min’ity taona ity.

Natao hampifaliana ny ankizy
Rehefa miresaka hoe fe­tin’ny Krismasy, ao an-tsain’ny olona ny fetin’ny ankizy. « Fifangaroan’ny fifanampiana, hatsaram-panahy, fizarana sakafo, fizarana fahatsiarovana eo amin’ny tsirairay ny entina hanamarihan’ny mponina ny fetin’ny krismasy”, raha ny fanadihadiana natao. Hi­zarana mamy sy fifaliana re­hetra hanomanana sy handraisana ny taona vaovao izany. Samy manana ny ankalazany azy avy ny tsirairay.

Mihena ny fanjifana ny hazonoely

Isan-taona, misy foana ny tsenan’ny « sapin ». Na­nomboka nividy izany ny olona tamin’ny faha-15 desambra lasa teo. 8 000 hatramin’ny 350 000 Ariary ny vidin’ny hazonoely iray eny an-tsena, raha ny fanazavan’ny mpivarotra. Tsy miova ny vidiny raha oharina tamin’ny taon-dasa. Izay manana fahefa-mividy no tena manjifa. Amin’ny ankapobeny, ireo tokantrano misy zazakely sy ankizy no tena manjifa ny vokatra. Eo ihany koa ny mpivarotra maro samihafa, fiangonana, ny tokantrano, olona mbola hivarotra, ny masera… “Natao haingon-trano sy hamalifaliana ny zaza madinika eo anivon’ny tokantrano ny antony naharisika ahy hividy hazo noely”, hoy ny olon-tsotra nanontaniana.
Misy ihany koa ireo karazan’olona tsy manjifa ny vokatra mihitsy. “Ao anatin’ny fitsitsiana satria mbola tsinjaraina ny vola mivoaka ka tsy mividy ny hazonoely tamin’ity taona ity”, hoy ny olon-kafa iray nanontaniana. “Efa nividy hazo noely tamin’ny herintaona, mbola tsara ary azo hiverenana ampiasaina indray izany, ka antony tsy hividiananay”, hoy kosa ny olon-tsotra iray raha nanontaniana.

Hazonoely vita gasy
Tsy mandeha ny tsenan’ny hazonoely vita malagasy fa anjakan’ny vita sinoa, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpivarotra hazonoely. Tsy mandeha ny tsena ankehitriny raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mahalafo entana roa isan’andro amin’ny hazonoely vita gasy izy ireo, ankehitriny. Raha toa ka nahatratra hatramin’ny 10 isan’andro izany tao anatin’ny roa taona. Anisan’ny mampiavaka ny vokatra ny maha vita azy amin’ny taretra sy tariby. Masinina ihany no manodina izany ho lasa hazonoely, raha ny fanazavana. Tsy ambakan’ny vita avy any ivelany ny vokatra vita malagasy. Mateza sy mafy ary tsy mora simba izany. Azo sasana soa aman-tsara ihany koa raha maloto ny hazonoely vita gasy. Azo ampiasaina aman-taona mifandimby izy ity fa tsy voatery mividy isaky ny vanim-potoanan’ny Noely, raha ny fanazavan’ny mpivarotra hatrany.

Nanatontosa : Mino
Sary : Tiana

Partager sur: