Laharana fahefatra alohan’ny farany amin’ny faharefoana amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Nisehoan’ny fiovan’ny toetr’andro voalohany indrindra tany amin’ny faritra Atsimo, tamin’ny taona 1950.
Niitatra tany amin’ny faritra Avaratra izany, tamin’ny taona 1970, araka ny tatitra navoakan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro (DGM) tamin’ny taona 2008. Mandrora miantsilany ny olombelona satria manimba ny tontolo iainana ny fomba entiny hampivoarana ny toekareny. Mampiakatra ny entona mangeja ny hafanana ny entona manimba avy amin’ny ozinina sy ny fitaovam-pitaterana, raha ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana. Eo ihany koa ny fandoroana tanety sy ala.
“Afaka miara-miaina tsara ny tontolo iainana sy ny karazana zavamananaina ary ny fambolena. Rehefa simba ny tontolo iainana, rehefa potika ihany koa ny tany dia ratsy ihany koa ny vokatra“, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), Vina Marie-Orléa. Nohamafisiny fa maro ny tantsaha no mampiasa ny fomba fambolena tsy mifanaraka amin’ny fanajana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Hany ka lasa simba avokoa ny manodidina ny aty ala eto amin’ny Nosy. Nefa ao anatin’ny fanatanterahana sy fanomezan-danja ny fahaleovan-tena ara-tsakafo isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. “Manomboka izao, hifantoka kokoa amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ny politikam-panjakana“, hoy hatrany izy.
Fomba fambolena, manimba ny tontolo iainana
Tantsaha sy monina any amin’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 80 % amin’ny mponina eto Madagasikara. Izay mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana avokoa. Anisan’ny fihariana izay mbola misedra olana ireo sehatra ireo. Vokatry ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana maneran-tany. Ho an’i Madagasikara manokana, maro ny olana sedrain’ny tantsaha ankehitriny. Anisan’izany ny fanatanterahana fomba fambolena sy famokarana tsy manaja ny karazan-javamananaina sy ny tontolo iainana, raha ny zava-misy. Hany ka lasa maro ireo toerana, aty ala, lasa somary hianjadian’ny olana maro isan-karazany. Toy ny fanaovana tavy sy doro tanety izay fomba fanaon’ny ankamaroan’ny tantsaha eto amintsika. Anisan’ny faritra tena anjakan’izany, ny any amin’ny distrikan’Anosibe An’Ala. Tsy misalasala ny tantsaha mandoro ny ala mba hahazoana tany hovolena. Manao fanimbana tsy an-kijanona ny ala izy ireo mba hahazoana tany bebe kokoa, mba hivelomana satria tsy ampy ny sehatra. “Tsy manana velaran-tany ampy hambolena ny ankamaroan’izy ireo ka antony handoroany ny ala“, raha ny fanazavan’ny mpamboly iray. Nilaza izy ireo fa ny hisian’ny anto-pivelomana hamelomany ny ankohonany no ataony, fa tsy ho an’ny karazan-javamananaina any anaty ala. Ankoatra izay, ny fampiasan’ny mpamboly ny zezika simika mba hampitomboana ny vokatra. Miteraka fahasimban’ny tany sy mitondra tsy fahasalaman’ny mponina ny fanaovana izany. Manampy izany koa ny fandripahana ala, izay mahatonga ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy mampilatsaka ny orana ihany koa ka mitarika haintany maro eto amin’ny Nosy.
Vokatr’izany, mikorontana ny tontolo iainana misy maneran-tany. Maloto ny rivotra an-drenivohitra, izay ahitana fiarakodia mifamezivezy maro. Miakatra ihany koa ny maripana, mahalana ny fiavian’ny orana ka mahatonga haintany amin’ny faritra maro. Mikorontana, manaraka izay, ihany koa ny taom-pambolena ho an’ny tantsaha. Mitarika aretina maro ho an’ny olombelona izany. Toy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Miseho amin’ny alalan’ny fidinan’ny rotsakorana amin’ny faritra sasany ihany koa izany. Ahina kosa ny fihenan’ny rotsakorana amin’ny faritra hafa. Fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa ny fisian’ny rotsakorana be loatra ao anatin’ny 48 ora.
Tsy toy ny tamin’ny taloha ny fambolena ankehitriny
“Tsy mitovy amin’ny fambolena tany aloha intsony ny fambolena ankehitriny”, hoy ny tantsaha eny Imerintsiatosika, raha nanontaniana. Maro ny bibikely manimba ny voly ka tsy maintsy mampiasa fanafody ireo tantsaha mba tsy hahasimba ny voly. Indrindra amin’ny tsaramaso sy ny katsaka, ary ny voly sasany hafa. Tamin’ny fotoana naha maina ny andro, maro tamin’ny voly tsaramaso no maty satria lanin’ny biby, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. “Raha tsara indray ny toetr’andro ka maharaka fanafody, dia mety sy matoy tsara ny vokatra”, hoy hatrany izy ireo. Ho an’ny ankamaroan’ny tantsaha, tsy zatra mampiasa zezi-bazaha izy ireo, raha ny fanazavana hatrany.
Anisan’ny misedra olana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny izy ireo, raha ny fanadihadiana natao. Nambaran’ny tantsaha fa nahitana fiakarany ny akora fampiasa amin’ny sehatry ny fambolena. Anisan’izany, ny zezika ampiasaina sy ny fanafody. Mampiasa vola betsaka ihany koa ny tantsaha iray vao mahatafavoaka ny vokatra, raha ny fanazavan’ny tantsaha nanontaniana hatrany. Vokany, mihena ny vokatra azo, mihena ihany koa ny lalam-barotra, raha ny fanazavana hatrany.
Marihina fa anisan’ny faritra iray mamatsy an’Antananarivo amin’ny vokatra legioma ny eny Imerintsiatosika. Ahitana ireo karazana legioma maro samihafa any an-toerana. Toy ny haricot vert, anana, karaoty, vaotabia… Eo ihany koa ny mangahazo, saonjo… Nilaza izy ireo fa arakaraka ny hatsara sy kalitaon’ny tany ny hatsaran’ny vokatra miakatra.
Mino