Samy manana ny fomba entiny mamarana ny taona ny isan-tokantrano. Misy ny mamonjy alim-bavaka. Maro ny mijanona an-trano. Betsaka ny mandeha alim-padihizana izay tafakatra hatramin’ny 300 000 Ar ny vidim-pidirana.
“Lazaina fa mampitaintaina ny fety amin’ity taona ity satria tsy mahasahy manapa-kevitra ny mpanjifa raha tsy efa ankatoky ny fety”, hoy ny mpikarakara lanonana nanaovana fanadihadiana. Lasa sahirana, noho izany, ny mpikarakara satria raha hanomana zavatra vitsy, nefa mety ho tonga maro ny olona. Na mety hifanohitra amin’izany ihany koa. Manodidina ny 150 000 hatramin’ny 300 000 Ariary ny saran’ny tapakila iray, raha te hanatrika fety eny anivon’ireny trano fanaovana lanonana ireny ny olon-dehibe iray. 125 000 Ariary kosa ny tapakila ho an’ny ankizy latsaky ny 10 taona.
“Manao sarotra ny fikarakarana lanonana amin’ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona eny anivon’ny trano fikarakarana sy fandraisana lanonana ankehitriny. Antony mahatonga izany ny fiakaran’ ny vidin’entana eny an-tsena”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra sady mpikarakara lanonana eo anivon’ny Akany Nambinintsoa, Razafindratsimba Rado. Nilaza izy fa tsy kivy fa miezaka mampilamina sy vonona foana hanome fahafaham-po ny mpanjifa, na izany aza ny zava-misy.
Olana sedrain’ny mpikarakara ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina rehetra mandritra ny fikarakarana fety. Niezaka ireo trano fandraisana lanonana sy mpikaraka tsy nampiakatra ny vidim-pidirana na dia izany aza. Raha ho an’ny vorontsiloza manokana, efa mahatratra hatramin’ny 170 000 Ariary ny vidiny ankehitriny. Raha toa ka 90 000 Ariary izany tamin’ny taon-dasa. Eo ihany koa ny vidin’ny menaka, izay mahatratra 10 000 Ar mahery ny iray litatra. Hamaritana ny vidin’ny tapakila kosa ny toe-javamisy, raha ny fanazavan’ny mpikarakara fety hatrany. Atao izay tsy hahafaty antoka ny mpikarakara sy hitsinjovana ny mpanjifa mandritra izany.
Andro vitsy tsy ahatongavan’ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona toy izao. Sesilany ny fanjifan’ny olona ny tapakila hanaovana izany eny anivon’ny trano fanaovana lanonana. Mbola vitsy nefa ny fanjifana izany hatramin’izao, raha ny fanazavan’ny mpikarakara lanonana hatrany. Nahitam-pihenana ihany koa ny fahefa-mividin’ny olona satria vitsy ny mpanjifa sy mpamandrika toerana hatramin’ny andro nanaovana fanadihadiana. Manentana ny olona ny mpikarakara fety mba hanjifa ny tapakila dieny izao, hialana amin’ny fisarahan’ny fianakaviana latabatra, indrindra ho an’ireo fianakaviana hiaraka betsaka.
Handray olona 200
Maro ny trano fanaovana lanonana eto an-drenivohitra. Ho an’ny toerana fanaovam-pety iray eny Antanetibe Talatamaty nanaovana fanadihadiana. Efa mananika ny 27 taona nanomanana fety izy ireo fa tsy mbola nisedra olana goavana na izany aza. Indroa no tsy nandray ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona izy ireo hatramin’izay. Fanamby goavana tsy maintsy sedraina ny fampifalifaliana sy fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Anisan’izany ny fikarohana tolotra vaovao hanafanana ny fety. Manodidina ny 200 hatramin’ny 250 ireo olona andrasana ho tonga hanatrika ny fetin’ny faran’ny taona eny anivon’ny trano fanaovana lanonana isanisany, amin’ny ankapobeny, eto an-drenivohitra.
Fianakaviana maro no liana
Hatramin’izay, fianakaviana no tena liana amin’ny fanjifana ny tapakila. “Manodidina ny 6 hatramin’ny 18 eo ny fianakaviana iray tonga manatrika izany”, hoy hatrany ny mpikarakara lanonana nanontaniana. “Andro iray tsy miverina, ary tian’ny olona ny manatanteraka io fety io ka antony hankalazan’ny olona izany”, hoy kosa ny voalazan’ireo olon-tsotra. Maro ny tokantrano misafidy ny hifety eny anivon’ny efitrano fandraisana lanonana rehefa faran’ny taona. Antony maro no mahatonga izany. “Mafy ny fiainana, teo ny fotoana nodiavina nandritra ny taona iray manontolo. Betsaka ny olana nosedraina ary te hifaly ny ankamaroan’ny olona ka mandeha manao faran’ny taona eny anivon’ny trano fanaovana lanonana izy ireo”, hoy hatrany ny mpikarakara. Efa maro ihany koa ny tokantrano no miomana ara-bola sy ara-tsaina amin’ny fankalazana io fety iray io. “Fety manan-danja ka tsy atao mandalo fotsiny ary manao izay azony atao ny rehetra”, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Ankoatra izay, maro ihany koa ireo olon-tsotra mankalaza izany, eny anivon’ny tokantrano. Manao fety hiarahana ny fianakaviana iray manontolo. Miara-misakafo, mihirahira, misotro, mandihy… mandra-pahatongan’ny taona vaovao izy ireo. Tsy misy vola natokana be loatra, ho azy ireny, fa izay eo am-pelatanana no ampiasaina. Anisan’ny ahitana ny fankalazana sy fiandrasana ny taona vaovao ihany koa eny anivon’ny fiangonana maro samihafa eto an-drenivohitra. Mivavaka, mihira no tena atao any, raha ny zava-misy isan-taona.
Nanatontosa : Mino