Migadra ny mpanao sonia: tsy ampy solika, mihamafy ny delestazy

Taorian’ny fampidirana am-ponja ireo tale tao amin’ny Jirama, tsy misy intsony ny mpanao sonia. Mihitsoka ny taratasim-bola tokony hakana solika. Vokany, mihamahery vaika ny delestazy.

Sempotra tanteraka! Vao mainka tena mahery vaika ny faharetan’ny fahatapahan’ny herinaratra na delestazy, indrindra na­nomboka ny alakamisy 1 desambra teo. Tsy adiny roa araka izay ampahafantarina amin’ny besinimaro intsony, fa mihoatra ny adiny 10 ora isaky ny faritra ihodinany. Fantatra, araka ny loharanom-baovao azo, fa lafiny solika no tsy ahafahan’ny Jirama mihodina araka ny tokony ho izy intsony. Voa­laza fa tsy misy ny tomponandraikitra ao amin’ity orinasa ity manao sonia ny taratasim-bola hakana ny solika tokony hampiasaina avy any Toamasina. Antony, tsy hita popoka ny tale jeneraly, tazonina am-ponja vonjimaika (MD) ny tale ara-bola, satria tafiditra ao anatin’ilay raharaha teny amin’ny fitsarana PAC. Sahirana koa ny tale jeneraly lefitra, satria arahi-maso ara-pitsarana ihany koa ny tale miisa 37 ao amin’ny Jirama.

Tsy misy, araka izany, ny vola ahafahana maka ny solika hamatsiana ny toby mpamokatra herinaratra. Nisy ny fivoriana iarahan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo amin’ireo mpitatitra solika, omaly tolakandro. Ny hita aloha, mihamiakatra ny hatezeran’ny mpanjifa.
Sarotra ny ho avy

Tsy mitsaha-mitombo ny olana diavin’ny orinasam-panjakana Jirama. Voakasik’ izany daholo ny sehatra isan-tsokajiny, amin’ny lafiny fitantanana, toy ny raharaham-pitsarana nahazo ireo mpitantana tarihin’ny tale jeneraly sy ny nodimbiasiny teo aloha ary ireo tale maromaro. Eo koa ny tomban’eza­­ka nataon’ireo tale miisa 48.
Misy koa ny lafiny teknika sy fitantanana, mahatonga ny delestazy mahery vai­ka amin’izao fotoana izao. Maharitra ora 10 mahery ny fahatapahana, nanomboka ny alakamisy 1 desambra teo.
Sarotra ny haminavina ny hoavin’ity orinasam-panjakana ity. Tsiahivina fa tafakatra 635 miliara Ar ny fanampiana ara-bola omen’ ny fanjakana ny Jirama, ho an’ny taona 2023. Manodi­dina ny 500 miliara Ar izany tamin’ity taona 2022. Misy tokoa ny fanavaozana, ny fanatsarana, ny fampitomboana ny tanjaky ny herinaratra, toy ny naorin’ny orinasa tsy miankina any Fara­hantsana, vao notokanana ny 1 desambra teo. Teo koa ny fampitomboana ny gropy fahefatra any Andekaleka. Saingy tsy afaka mihodina araka ny tokony ho izy satria tsy ampy ny riandrano. Eo koa ny fitaovana simba vokatry ny oram-baratra.

Njaka Andriantefiarinesy

Fantatra teo anivon’ny Jirama, fa tsy ampy 65% ny solika. Lazaina fa noho ny hara­tsian’ny lalana RN 2 no antony, izay lasa 4 na 5 andro vao tafaverina aty Antananarivo, raha 2 na 3 andro.
Antony faharoa, tsy ampy ny rotsak’orana, ka mihena ny vokatra. Lasa 46 hatramin’ny 68 MW raha tokony ho 89 MW ny any Andekaleka. Lasa 14 MW ny any Mandraka raha tokony ho 28 MW. Sahanivotry 9MW sisa raha tokony ho 18 MW. Farahantsana 13 MW monja raha tokony ho 28 MW.
Vahaolana ny hampitomboana ho 400 m3/andro ny solika hafarana avy any Toamasina raha 300 m3/andro teo aloha. Nandatsaka orana koa ny Jirama, nanomboka omaly, hanampiana ny riandrano any Andekaleka, Tsiazompaniry, Mantasoa, hatramin’ny 4 desambra.

Partager sur: