Raikitra izy ity ! Efatra andro aorian’ny fiandohan’ny taona, miverina tsikelikely amin’ny fanao mahazatra Ramalagasy. Manomboka ny ankisisika fiara fitateram-bahoaka. Miverina ny varotra amoron-dalana. Mamonjy ny birao fiasany ny mpiasam-panjakana. Samy mamikiviky mamita izay iraka ankinina aminy. Samy milofo amin’ny anto-pivelomany, ahitana izay hatokon’ny ankohonany.
Mazava iny ny an’ny mpitondra fanjakana tarihin’ny filohan’ny Repoblika fa i Madagasikara tsy maintsy mandroso. Ho jerena, araka izay tratra, ny sosialim-bahoaka, hoy ny ambeti-teniny. Eto anefa no hisarihana ny sain’ny besinimaro. Tsy misy fahagagana izany akory raha tsy ny tsirairay no miezaka. Rehefa tsy ilay olombelona no resy lahatra, zava-poana izay politikam-pampandrosoana voizina izay.
Ohatra iray, tena mba hanipazana teny amin’ny mponinan’Antananarivo ny momba ny fako. Marina fa manana andraikitra lehibe amin’izany ny kaominina, na ilay fitaleavana misahana izany. Mbola manana ampahan’andraikitra amin’ny resaka fanadiovana sy fahadiovana koa ny minisiteran’ny Rano. Saingy, fositra voalohany ny vahoaka maloto saina. Sady mahakivy no mampanongo tena ny mahita ireo tokantrano tsy tahotra tsy henatra manary fako sy tavimandry eny rehetra eny.
Rehefa voretra ny saina, maloto ho azy ny nofo ary mihitsoka ny fampandrosoana. Revirevin’ny mpanao ariary zato am-pandriana ny ankoatra izay. Ahoana no ahafahana mihary anaty korontana, fako, fofona maimbo? Mety hisy hiteny fa efa mahazatra ka mandeha ho azy. Loza mitatao andro aman’alina amin’ny fahasalamana izay voalohan-karena izany.
Mila mizatra sy miala amin’ny fisainana maloto Ramalagasy. Indrindra ny eto an-drenivohitra izay zatra miandry mahazo. Tsy maintsy manova fomba fiainana sy fomba fijery vao tafarina.
r.r