Manampy an’i Madagasikara hitahiry ny zavamananaina tsy manampaharoa i Etazonia. Natolotry ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid), omaly 2 desambra ny tranonkala vaovao “Hay natiora” ho an’ ny Birao nasionaly misahana ny tontolo iainana (ONE). Namatsy vola ny fanatanterahana azy ny tetikasa Usaid Hay Tao, niara-niasa tamin’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd).
Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Usaid Madagasikara, i Randy Chester, fa “hanamora ny fandraisana fanapahan-kevitra mifototra amin’ny porofo ataon’ny mpitantana ny harena voajanahary, ny mpikaroka, ny mpanao lalàna sy ny drafitry ny fampandrosoana ity tranonkala ity. Ahafahana koa mandrindra ny fampiasana ny tany, ny jono, ny fitantanana ny faritra arovana, ao anatin’ny fampivoarana niomerika”.
Nahatratra 60 tapitrisa dolara
Mampifandray ny antontam-baovao ara-jeografika, hamantarana ny loharanom-baovao momba ny tontolo iainana tantanin’ny faritra isanisany ny Hay tao natiora. Voakasik’izany ny an-tanety, ny amorontsiraka. Eo koa ny lafiny fananantany sy ny fampandrosoana ankapobeny.
Nahatratra 60 tapitrisa dolara ny famatsiambola nomen’ ny Usaid an’i Madagasikara, nanomboka ny taona 2013 eo amin’ny lafiny tontolo iainana. Voakasik’izany ny fiatrehana ny voina, ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina, ny fanamafisana ny fitantanana ny harena voajanahary, ny fampiatoana ny fanondranana ny biby an-tsokosoko, ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, sns.
Njaka A.