Miavaka kely amin’ny mahazatra ny dingana arahina amin’ny fanendrena izay ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Tsy manana herijika hidirana an-tsehatra ireo misora-tena ho tandapa sy tompom-pahefana zatra nanjakazaka. Misary tsotsotra ny birao handraisana ny tahirin-kevitra ho an’ny «mpifaninana». Henjana anefa ny fanaraha-maso avy aty ambadika.
Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao, tsy misy olon-kafa afa-tsy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny lehiben’ny governemanta, Ntsay Chrsitiana, no mahalala ny zava-drehetra. Tsy misy mipika ny antsipiriam-baovao, tsy hay na iza no hanao an’izatsy, na iza no hisahana an’izaroa. Mbola ankamantatra be?
Ny tena nanaitra ny mpanatitra antontan-taratasy dia ny fahitana ireo minisitra teo aloha, mitovy amin’ny olon-drehetra. Milahatra tsy misy hanavahana eny amin’ny trano fandraisana ny taratasy. Taratry ny fahavononana hanova sy ny fanetren-tena, tian’ny filohan’ny Repoblika hapetraka. Fanovana tsy maintsy atomboka amin’ny fomba fiasa sy ny fitondrantena, izay nahabe resaka sy saika naharendrika ny sambo nentin’ny kapiteny Rajoelina Andry.
Iza tamin’ny nanaraka ny lahateny izay nataon’ny filoham-pirenena no tsy faly sy velombolo indray nahare fa tena hiavaka ny fanendrena ireo ho minisitra. Ho lavitry ny kolikoly sy ny kitranoantrano. Tsy hisy fijerena tavan’olona fa izay mahafehy ny asa, manam-piniavana, ary afaka ny hampandroso an’i Madagasikara tokoa. Raha ny zava-nisy hatramin’ny omaly, efa manodoka izay hiseho mandritra ny dimy taona.
Mihazakazaka aoka izany ny fomba fiasa ho an’ny sasany. Misy minisitra mpiandry raharaha, milomay tahaka ny inona rehefa hamita iraka. Asa natao amam-bolana taloha, vita anatin’ny hateloana. Ny sasany tsy menatra intsony manenjana ny mpiara-miasa aminy. Milaza fa modely amin’ny fampiharana ny lalana. Dia mipetraka ilay fanontaniana, inona no sakana tsy nahafahana nanao izany tamin’ny fotoam-pitondrana teo aloha? Lesoka azo arenina tokoa ka inona no sakana. Ny lasa aoka homba ny lasa ! Ny soa lavo rahateo no mahay mamindra.
r.r