Anisan’ny niteraka fiovana lehibe teny anivon’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny tsy fahaizana mifanabe. Tsy tazana intsony ny «zanaka iaraha-manana». Na ny nateraka na tsia, rehefa zanaka, nifarimbonan’ny mpiara-monina fahiny nobeazina. Ny ankehitriny, na ny mananatra sy mampita hafatra ho an’ny zanaka aza, tsy vitan’ny raiamandreny sy ny fiarahamonina intsony.
Matahotra ny hahazo teny maharary toy ny hoe : «fa angaha io zanakao…». Amin’ izao vanim-potoana izao, matetika ireo mananatra ny «zanaka iombonana», satria tsy te hanan-dratsy, indray no mahazo loza. Ireo manoro ny lala-mahitsy indray no iangonan’ny rihitra. Satria, sady tsy manana tanjona iraisana intsony (taranaka vanona) ny mpiaramonina no tsy mifampatoky.
Sarotra ny hamerina ny « zanaka iaraha-manana »
Asa sarotra sy mila faharetana ny famerenana ny «zaza iaraha-manana». Anisan’ny antony goavana be miteraka io fahasarotana io ny tsy fisian’ny fanabeazana iraisana tahaka ny taloha intsony. Na ny tokontany hilalaovan’ny ankizy aza tsy misy. Ny kilalao lalaovina, ankehitriny, tsy mampiombona fa vao mainka aza mampizarazara. Kilalaon’olon-tokana ny ankamaroany. Mitarika any amin’ny fironan-tsaina, samy maka ho azy.
Tsy ny zaza na ny ankizy no andrasana hamerina ny «zanaka iaraha-manana» fa ny lehibe. Izy ireo no mampahafantatra ny ao amin’ny ankohonany, ny fianakaviany, ny fiarahamonina misy azy, ilay fifanabeazana nisy teo amin’ny Malagasy fahiny !
HaRy Razafindrakoto