Mankalaza ny Andron’ny manamboninahitra ny eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandarimariam-pirenena, anio. 12 janoary manamarika ny nametrahan’ny mpianatra malagasy tao amin’ny Akademia Miaramila, Andiany voalohany ny maha-izy azy ireo manoloana ny vazaha. Andro manan-tantara ho an’ireo izay nandalo sy nobeazina tao. Zary lasa fomba amam-panao isan-taona !
Manamboninahitra ! Anarana izay hireharehan’izay milanja ilay bokotra na kintana. Iza no tsy maniry ho amin’ izany, rehefa nisafidy an’io sehatrasa iray io. Mitotototo izay tsy izy ny ray aman-dreny mitady izay fomba ahatafiditra an-janany ao. Manao izay ho afany ny ankizy, te hiditra amin’izany sekoly ambony izany. Tena filamatra no fijery azy avy aty ivelany.
Tena izany tokoa ve anefa ? Tsy hita be ihany ny hamaliana izany raha ny zava-misy iainana, ankehitriny. Hita fa mihavery hasina ny mpitandro filaminana. Miainga avy any amin’ny lohany ilay « matsatsotsatso » hany ka miitatra toa ny « sima » misioka, hoy ny oha-pitenenana malagasy. Firifiry ny be galona tafiditra anaty afera maloto. Voarohirohy amin’ny fitsarana sy miditra am-ponja. .
Omby indray mandry tsy indray mifoha ! Aiza no tsy hisy fandoto iray tandroka. Tsy ireny anefa dia ampy hitsarana ny vondrona iray manontolo. Betsaka ny miezaka mba handeha mahitsy. Maro ireo tsy mikely soroka mitady ny fomba mba ho hampiavaka izany tafika sy zandary izany. Maro no mifohafoha volo ho modely eny anivon’ny fiarahamonina.
Na inona na inona anefa fihetsika sy fitondran-tena, iraka iray ihany no andrandrain’ny Malagasy dia mba tena ho tandroka aron’ny vozona tokoa. Tsy ampy ny fitanisana izao fitsipika isan-karazany. Mitaky asa aman’andraikitra maro izany. Mila finiavana sy fahafoizan-tena ho an’ny tanindrazana !
r.r