Enta-mavesatra eo anivon’ny tokantrano sy ny fiarahamonina ny fijerin’ny Malagasy ny olona manana fahasembanana. Mihevitra izy ireo fa nisy tsy nety nataon’ny ray aman-dreny tany aloha ka antony nahatonga ny zaza iray ho sembana, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mampivoatra ny fiainan’ ny sembana ny fanaovana fanatanjahantena.
Entin’ny olona mangataka ny ankamaroan’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara, raha ny zava-misy. Mihevitra izy ireo fa enta-mavesatra eny anivon’ny fiarahamonina izy ireny ka izay no vahaolana hitany fa mety. Olana iray hafa eny anivon’ny sekoly koa ny tsy fahafahan’ny ankizy sembana manao fanatanjahantena. Lasa voatosi-tanana ny sembana, noho izany, ka lasa tsy tafiditra ao anatin’ny fiarahamonina. “Efa miala tsikelikely amin’ny Malagasy ny foto-pisainana toy izany. Efa maro ny ray aman-dreny mitondra ny zanany sembany eny anivon’ny ivontoeram-pitaizana azy ireny ankehitriny”, hoy Rajaonah José, proviseur-n’ny Lycée Téchnique Commercial Ampefiloha sady mpikambana ao amin’ny ONG Les Orchidées blanches.
“Nanomboka tamin’ny taona 1989 hatramin’ny 2023 lasa teo, azo ireharehana sy mahafapo ny vokatra azon’ny olona manana fahasembanana teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena”, hoy hatrany ity proviseur natao fanadihadiana ity. Maro izy ireo no nahazo medaly tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena. Anisan’ izany i Onja, vehivavy malagasy atleta , manana fahasembanana ara-pahitana. Nandray anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy tany La Réunion, tamin’ny taona 1990, izy. Nahazo ny medaly volamena tamin’ny fahavitany ny hazakazaka 200m, nandritra izany. Teo ihany koa i Felana, tovovavy sembana ara-tsaina. Intelo nandrombaka ny medaly izy, talohan’ny taona 2016. Ankehitriny, efa manambady aman-janaka izy satria toy ny olon-drehetra ihany. Raha eto Madagasikara manokana, nanomboka ny taona 1989 ny fifaninana iraisam-paritra taty amin’ny ranomasimbe Indiana, izay natao tatsy La Réunion. Nandray anjara tamin’izany ireo olona manana fahasembanana ara-batana. Nanao ny “basket en fauteuil roulant” izy ireo tamin’izany. Tafatsangana ny ONG Handisport Madagascar taorian’io. Fanatanjahantena natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana ara-batana sy ara-pihainoana ary ara-pahitana. Nanomboka teo ny fikarakarana fanatanjahantena ho azy ireny teto amin’ny Nosy ary mbola mitohy hatramin’izao izany.
Azon’ny sembana atao avokoa ny fanatanjahantena rehetra
Maro karazana ny zo tokony hananan’ny olona sembana, araka ny voafaritry ny lalàna 97- 044, tamin’ny 19 desambra 1997. Mahakasika ny fampahafantarana sy fampanajana ny zon’ny olona manana fahasembanana. Toy ny zo ho beazina, zo ara-pahasalamana, zo ara-tsosialy… Tafiditra indrindra amin’izany, ny fanaovana fanatanjahantena. Azon’ny olona manana toe-batana toy izany atao avokoa ny karazana fanatanjahantena rehetra. Misy ny “foot en fauteuil roulant”, “basket en fauteuil roulant”, ho an’ny olona sembana ara-batana. Afaka manao ny fanatanjahantena ho an’ny olona salama tsara kosa ny sembana ara-tsaina sy jamba. Fa misy “catégorie” sy azo amboarina hifanaraka amin’izany ny fitsipiky ny lalao. Efa misy ihany koa ny fikambanana mandray sy manampy azy ireny.
Mila amboarina ny rafitra
“Mila hamboarina ny rafitra misy eto Madagasikara ho an’ny fanatanjahantenan’ny olona manana fahasembanana”, hoy hatrany Rajaonah José, proviseur an’ny LTC sady mpikambana ao amin’ny ONG Les Orchidées blanches. Nilaza izy fa tokony hatsangana ny mpikambana handrafitra ny Comité paralympique sy ny eo anivon’ny Handisport Madagascar. Eo ihany koa ny federasionin’ny “sport adapté ” ho an’ny olona marenina, ny jamba…
Mampivelatra ny fanatanjahantena
Ahazoana vokatsoa marobe ny fanaovana fanatanjahantena, indrindra eo amin’ny olona manana fahasembanana. “Raha salama ny olona dia afaka miasa. Afaka mamokatra avy eo ary mivelatra sy mihatsara ny toekareny”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa lalana iray ahafahan’ny olona manana fahasembanana mivelatra sy mifanakalo eo anivon’ny fiarahamonina ny fanaovana fanatanjahantena.
Marihina fa misy fizarana efatra ny fahasembanana. Voalohany, ny fahasembanana ara-batana, ireo olona tsy afaka mandeha. Mampiasa fitaovana entiny mihetsika ny ankamaroan’izy ireny. Eo ihany koa ny fahasembanana ara-pahitana sy ara-pihainoana ary ny fahasembanana ara-tsaina.
Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou