Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana, fa ho an’ny vahoaka izay ataony. Tokony hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany. Tsy vitan’ny hoe mampindrana fahefana tamin’ny alalan’ny fifidianana fotsiny ny vahoaka, fa ananan’ny mpitondra tamberinan’andraikitra ihany koa ny fanatsarana ny fiainany sy ny fampandrosoana ny firenena. Fifanarahana politika sy fifanekena sosialy mazava ny latsa-bato natao: hotanterahina ny fanamby. Ho vitan’ny mpitondra ve? Ho hita eo…
Saro-pady izay fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra izay, mila fahamarinan-toerana. Tsy inona fa ny fahatanterahan’ny fampanantenana. Raha tsy izany, tsy marin-toerana eo amin’izay misy azy na miroaroa saina ny vahoaka: ahoana izy ity, aiza izay eo… ? Raha sanatria izay no hitranga na ela ny fisitrahany izay vokatry ny asa, hampoizina ny fanararaotan’ny mpanohitra izay efa miandry kendry tohina mandrakariva amin’ny fitsikerana, fanenjehana, fanakiviana… Mila fahamailoana? Mba hitoetra hatrany ny fifampitokisana.
Ny vahoaka no herin’ny fanjakana, fa mety ho tohan’ny mpanohitra ihany koa raha mitsipotitra mankany na miandany aminy. Ny vato azo no nandrefesana izay tamin’ny fifidianana, fa ny asa kosa aorian’ny fifidianana na mandritra ny fe-potoam-piasana. Tsy vita fifidianana izany ny raharaha? Izao vao tena… Tsaraina amin’ny asany ny mpitondra? Raha atao anisan’ny ambentin-dresaka, ohatra, ny sosialim-bahoaka: hatraiza ny fisitrahana sy fahatsapany ny fihatsaram-piainana mivantana eo amin’ny isam-batan’olona, isan-tokantrano, isam-paritra… ? Tsy mila resaka be izany fa iainana mivantana, tsy mila kabary fa ho hita eo… Ny atao no hita; ny soa, mahatarika: mankaiza na ho aiza ny vahoaka?
R. Nd.