“Inona moa no tokony hampatahotra anay? Tsy nametraka fitoriana izahay. Tsy nitory na iza na iza teny amin’ny Pac izahay, fa nampiditra fanairana hoe manokafa ianareo fanadihadiana fa misy ahiahina kolikoly momba ny sehatra letisia.” Io ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International – Iniative Madagascar (TI-IM), Rafitoson Ketakandriana, momba ny fitorian’ny vondrona mpandraharaha letisia (Gel) azy tamin’ny filazany teny amin’ny fitsarana manokana misahana ny kolikoly (Pac) ny fisiana kolikoly ny fanondranana letsia.
“Inona moa no tokony hampihemotra anay? Tsy misy. Tsy hiteniteny foana izahay, sanatria, fa miainga amin’ny fanadihadiana sy famotorana nataonay nandritra ny telo taona maninjitra iny fanairana nataonay iny”, hoy izy. Anjaran’ny fitsarana ny manapa-kevitra hoe mitombina na tsia ny zavatra teneniny. Samy miandry ny tohiny ny rehetra.
Ilaina ny lalàna miaro ny mpitoroka
Niarahana tamin’ireo rafitra samihafa ny nanaovana ny volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny mpitoroka, araka ny fanazavany ny amin’ny fihemorana ny fandinihana izany. Tsy ny firaisamonina sivily no namorona ny tsy misy, fa efa nisy ny minisiteran’ny fitsarana, ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CINDH), ny mediatioran’ny Repoblika, ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly.
Lazain’ny tomponandraikitra sasany hatrany hoe efa voaaron’ny lalàna 2016-020 ireo mpitoroka. Marina tokoa fa misy andininy vitsivitsy ao anatin’izay miaro ny mpitoroka. Tsy ampy izay fa mameno izay efa misy izay ny tanjon’ ny volavolan-dalàna iray miaro ny mpiady zo. Mety tsy ho voadinika amin’izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta izao izany, fa mety miandry amin’ny herintaona. Tsy mahakivy sy tsy mampaninona raha mila fotoana kokoa ny fandinihana azy, fa tsy tokony ho very anjavona. Mila jerena izay fa ilaina sy misy dikany ary takin’ny fenitra iraisam-pirenena.
R. Nd.