An-tampon’ny samy reraka !

Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa, indrindra mahakasika ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Tena mampiteny ny tsy afa-miteny ny zava-misy, manerana ny Nosy. Sanatrian’ny vava mamendrofendro fa sintonina ihany ny lakolosy mba hitandreman’ny rehetra. Mety sarotra hinoana, fa tena efa mivaralila, mirona any amin’ny fomba ratsy mamohehatra ny olona.
Mahazo vahana ny ratsy miharo finoanoam-poana. Tsy takona hafenina ny mosavy amin’ny endriny isan-karazany, hoenti-misompatra ny hafa. Andaniny, Miroborobo tahaka izany koa anefa ny sehatra fikolokoloana fanahy hoenti-mivoatra amin’ny fiainana. Ny mpanatona doany, mino ny fomba nentim-paharazana manao ny ataony. Miverina mahazo sehatra ny fitaizana amin’ny tapakazo sy ny kalanoro. Manginy fotsiny ny fijerena ombiasy sy ny mpanamboatra vintana.
Etsy ankilan’izany, manao izay danin’ny kibony ireto milaza fa mpaminany sy irak’Andriamanitra. Mahavariana ny mitazana ireto tranokely, voalaza fa fiangonana isaky ny elakela-trano. Mahavita manao fotoam-pivavahana intelo aman’efatra isan’andro. Milaza ho mpitondra fahagagana, ka mandroboka ilay Malagasy efa latsaka an-katerena sy marefo dia marefon-drafahantrana. Roboka amin’ny doka voarindra sy ny tenin’Andriama­nitra vita tsianjery maimbo.
Manoloana izany anefa, mitazam-potsiny ny fanjakana mahefa. Na tiana na tsy tiana, ny fahantrana lalina, mikiky ny isam-baravarana, no rangory fototry ny afo. Ny vahoaka tsy manana isarangotana mitady vahaolana petatoko sy vonjy tavanandro. Iretsy mpanararaotra mangorona izay azo ahorona mba hampitombo ny eo am-pelatanany.
Sarotra ny hitsara sy hifanome tsiny. Efa samy an-tampon’ny samy reraka rahateo, tsy mahalala afa-tsy ny tena sy ny ankohonana mivantana ilay mponin’i Gasikara.

r.r

Partager sur: