Lasa misy mpiasa miasa amin’ny alina ny fananganana ny fotodrafitrasa sasany, izay efa niato nandritra ny fotoana maro eto Toamasina, ankehitriny. Tsy fantatra ny antony, na hisy olom-panjakana na mety ho ny filoham-pirenena mihitsy ve no ho avy aty an-toerana ato ho ato?
Mikatso ny ankamaroan’ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eto Toamasina. Isan’izany ny eny amoron-dranomasina amin’ny arabe Boulevard Ratsimilaho. Eo koa ny asa fiarovana ny morontsiraka, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola. Tsy nisy ny tomponandraikitra afaka niresaka tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fandalovana nanadihadiana teny, afa-tsy ny mpiasa madinika mpiandry fitaovana hita teny. Tsy misy miasa ireo milina vaventy.
Raha tsiahivina ny lahatenin’ny filoham-pirenena, nandritra ny fitsidihany ny fivoaran’ny asa tamin’ny 3 oktobra 2022, nilazany fa vitaina mialoha ny faran’ity taona 2022 ity.
Ankoatra ireo, mitarazoka koa ny fanamboarana ny kianja mitafo manara-penitra, nanapotehina ny kianja filalaovam-baolina eny amoron-dranomasina. Efa nanamafy anefa ny governoran’ny faritra Atsinanana, fa tsy maintsy handraisana ny Lalaon’ny Nosy, izay hatao amin’ny taona 2023 ity fotodrafitrasa ity.
Tsy mahazo kianja ny tanora
Kivy noho izany ny tanora mpilalao baolina kitra, satria tsy misy intsony ny kianja azo ilalaovana. Saika nisy kianja daholo mantsy manerana ny fokontany 12 eto Toamasina, saingy efa foana daholo izany, miampy ny kianjan’ny Kaominina noravana, lazaina fa hananganana kianja mitafo io, nefa izao mikatso izao koa ny asa.
Mikasika izay kianja izay ihany, tsy mazava ny fitantanana ny kianja manara-penitra vaovao eny Barikadimy. Simba ny fotodrafitrasa, tsy mandeha ny rano ao amin’ny toeram-pidiovana sy fivoahana. Nilaza Rtoa Hilda Sidonie, lehiben’ny Sampandraharaha fanatanjahantena ao amin’ny kaominina Toamasina I, fa “andoavanay 40.000 Ar isaky ny lalao ny kianja, nandritra ny fifaninanana Amboaran’ny ben’ny Tanàna. Tsy mahazo kianja anefa izahay, fa dongin’ny prefektiora sy ny faritra Atsinanana”.
Nohitsin’ity tomponandraikitra ity, fa tsy mahagaga raha mirona any amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy ny asa ratsy ny tanora, noho izao tsy fahampian’ny kianja eto Toamasina izao.
Sajo