Ortana: fitsidihana an’i Miadanimerina

Mitohy hatrany ny fitsidihana ny toerana manan-tantara sy ny mpampiavaka azy eto Antananarivo sy ny manodidina, karakarain’ny ofisim- paritry ny fizahantany Anala­manga (Ortana). Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, ho an’ny malagasy, sady hanomezana lanja ny isan-toerana ihany koa.
Eny Miadanimerina, ma­he­­rin’ny 20 km, atsinanan’ An­tananarivo ny toerana hotsidihana amin’ny asabotsy 10 desambra ho avy izao. Ma­hatratra 10,8 km ny dia an-tongotra hatao, entina manatsara ny fahasalamana ho an’ny mpitsidika izay atao ao anatin’ny adiny 4 ora.
Maro ny zavatra mahavariana sy mahasondrina azo tsidihana eny Miadanimerina, ary anisan’izany ny vohitr’i Kalonjy, anisan’ny tanàna ela indrindra eto Imerina.
Fa isan’ny hahaliana ny mpitsidika koa ireo mpanao taozavatra, mpanenona landy.
Eny amin’ny tranohevan’ny Ortana, eo amin’ny zaridainan’ny Antaninarenina ny fisoratana anarana, ary misy ny sarany aloa, hiantohana ny dia.

Njaka A.

Partager sur: