Tontosa ny asabotsy 3 desambra teo tetsy amin’ny Campus” Barikadimy, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny oniversiten’ i Barikadimy vaovao, ny dokotera Razanakolona Diny.
Filoha faha-8 tamin’ ireo nifandimby nitantana an’ ity Anjerimanotolo ity izy hatramin’ny nisiany, ny taona 1977 ka hatramin’ izao 2022 izao. Ny dokotera Tsizaraina Emile no voalohany ary mbola rektora ny niantsoana azy tamin’ izany. Nitarika ny lanonam-panjakana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy fikarohana aran-tsiansa, Rtoa, Assoumacou Elia Béatrice. Taorian’ny famakiana ny didim-panjakana manendry na manamarina ny maha filohan’ny oniversiten’ i Toamasina aza, napetaka ny marika manamarina izany andraikitra izany. Ankoatra izay, novakina koa ny didim-pitondrana mametraka amin’ny fomba ofisialy an’ireo Sojaben’ny departemanta telo mirahalahy sy talen’ny sampam-piofanana miisa fito mianandahy. Nambaran-dRamatoa, minisitra tamin’ny lahateniny nataony fa misokatra ihany koa ny taom-pianarana ho an’ny oniversite rehetra eto Madagasikara 2022 -2023. Nitokana fotodrafitrasa maro ihany koa ny manampahefana, toy ny tranon’ny «Institut confucius” sy ny tsangambaton’ny 45 taonan’ny oniversite izany.
Nandritra ny lahateny nataony ihany no nanomezan’ny minisitra toromarika hentitra ho an’ny filohan’ny oniversite vaovao mba oniversite tsy mpitokona lava intsony i Toamasina.
«Aoka hibanjina ny dingana vitan’ny filoha zokinao teo aloha, ataovy vaindohan-draharaha ny fifampiresahana amin’ny hery velona rehetra toy ny raiamandreny, ny mpianatra,
ny mpanambe. Nitodika tamin’ireo mpianatra ihany koa ny tenany “banjino ny ray aman-dreninareo mpianatra izay lany vola miantoka ny fianaran-janany. Sahirana izy ireny mitady vola hanohanana anareo mba hanananareo ho avy tsaratsara kokoa, aoka izay ny fitokonana lava” hoy hatrany minisitra.
Hohatsaraina ny kalitaon’ ny fampianarana
Nambarany hatrany, nandritra ny lahateniny fa mba hanatsarana ny fampianarana sy fifandraisana sy fiantanana anivon’ny oniversite rehetra eto amin’ny firenena dia tohizana ny fanafarana mpampianatra avy any ivelany. Hisy koa ny fandefasana ny eto an-toerana mankany ivelany. Handefa mpianatra miisa 200 isan-taona isika. Hotohizana ny fandraisana mpampianatra miisa 200 isan-taona sy fanatsarana ary fanamboarana fotondrafitrasa vaovao, araka ny kabarin’ny minisitra hatrany. Hatao manakaiky vahoaka ny fanorenana oniversite mba hametrahana lalam-piofanana mifanaraka aminy isaky ny faritra na disitrika. Tanjona ny fanalefahana ny fandaniana ataon’ny ray aman-dreny handefa ny zanany handranto fianarana lavitra ny toerana misy azy, toy ny natao ao Vatomandry, Ambatondrazaka ary Fenoarivo atsinanana. Akoatra ireo notoloran-dRamaoa minisitra solaitra be fotsy “tableau blans” miisa 16 sy fahitalavitra fisaka lehibe iray ary omby telo ny oniversiten’ i Barikadmy.
Roa ny laharam- pahamehana
Ho an’ ny filoha vaovao dia mitsinjara roa miavaka tsara ny laharam-pahamehany mandritra ny telo taona hitantanany ny oniversite, “Fito volana izay nandraisako ny fitantanana ny oniversite ka ho vaindohan-draharaha ny fifampiresahana amin’ny samy mpianatra. Eo koa ny sokajin’olona heverina ho afaka hifampidinika amin’ny mpianatra isaky ny fiaviany avy. Hisy ny fampiofanana sy fifandresehan-dahatra tsy hatongavana amin’ny fanimbana fananana
iombonana sy fifofoana aina amin’ny samy mpianatra. Faharoa dia hanao ezaka ny hisian’ny filaminana anivon’ny “Campus”. Akoatra ireo, nambaran’ny filoha vaovao fa tohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa lehibe misy eto Toamasina, Spat, Smmc, mictsl, Tetikasa
Ambatovy, Hampitomboina hatrany ny taranjam-piofanana hiatrehan’ny tanora asa avy hatrany. Anisan’ireny ny fampiofanana manokana momba ny tolo-baro-panjakana mba hamokatra olona hitantana “Prmp”, ny Polytechnique hamokatra injeniera.
Raha hiverenana ireo mpitantana nifandimby tamin’ ity oniversite Barikadmy ity dia : ny Dokotera, Tsizaraina Emile, rektora, ny taona 1977. Nisolo azy, ny profesora Mangalaza Eugene, ity farany nitsoaka taorian’ny raharahan’ny 2002. Nisolo toerana azy ny dokotera Rajaonarivelo Roger, Horace Gatien, Velo Jerome. Manaraka tao Atoa Zafitody Conscient, izay tsy nahatody fe potoam-pitantanany. Niogana, ny taona 2021, nametrahana “comité Intérimaire», notarihin’ny dokotera, Joel ka izao tonga amin’ny dokotera Razanakolona Diny izao.
Sajo