Madagasikara tsy maintsy mandroso ! Mipoapoaka ny teny filamatra hitondran’ny fanjakana ny raharaham-pirenena. Mahavelombolo ny mihaino azy. Mamoha fanantenana efa mitsipozipozy noho ny hamafin’ny fiainana. Manentanentana, hitady hevitra mafonja mba ho fandraisana ny anjara biriky mifanandrify amin’ny tsirairay avy.
Miara-mijery miabo hatrany na inona na inona zava-miseho. Tsy azo atao ny resy tsy miady amin’ny fiainana. Na inona na inona sakana, ny ezaka ataon’ny tsirairay ihany no handraisany valin-kasasarana. Tsy afaka ny hiantehitra amin’iza na iza, rehefa tsy mbola resy lahatra fa mila mijoro. Miainga avy any an-tokantrano sy anivon’ny ankohonana aloha ny zava-drehetra.
Marina fa efa mandeha be ny serasera mampodimandry ataon’ireo nahazo fahefana, amin’izao fanamby 100 andro izao. Tsy takona hafenina koa anefa ny adilahin’ny samy milaza ho mpandresy tamin’ny fifidianana. Efa miseho masoandro ny fanilihana ny olona mpiara-mitolona noho ny tombontsoa manokan’ny sasany. Mahasahy mitsipa-doha laka-nitana sahady ireo heverina fa lohandohan’ny mpisorona.
Tsy mahay maka lesona fa mbola manao ny fomba mahazatra izay efa hita ny naharatsy azy. Niaraha-niaina sy nizaka ny voka-dratsin’izany mialoha ny fahataperan’ny fotoam-pitondrana. Zara fa nisy ny nahari-pery. Nivadika tsikelikely. Avy eo zary niady irery, niaraka tamin’ny akanga sisa nanamborana. Voatery niantso mpikarama an’ady mihitsy nanohana sy nandravana ny tolon’ny mpanohitra izay saika nahazo vahana.
Tairina ihany izay azo tairina, mba tena hanome lanja ny vahoaka malagasy, indrindra ny ady amin’ny fahantrana. Mba ny sosialim-bahoaka tokoa no hanaovana ady sisika fa tsy ny namana no fingampinganina. Manomboka tsy takona hafenina intsony ny ady seza, hany ka efa tonga ny mpamosavy malemy. Milalao maloto !
r.r