Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka isika izao. Mandrisika ny olona hamboly ny fisian’ny fizarana zana-kazo maimaimpoana. Tanjona ny hamerenana ny ala potika eto Madagasikara.
Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ary manomboka androany ny taom-pambolen-kazo 2023- 2024 eto Madagasikara. Tanjona apetraka amin’izany ny hahavitana voly zana-kazo manodidina ny 300 000 000 isa ao anatin’ny velaran-tany 75 000 ha manerana ny Nosy. Avadika ho vokatra azo tsapain-tanana ny 40 000 ha amin’izany.
Ao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana ny tena tsara indrindra hambolena hazo. Ho an’ny eto afovoantany, ny 15 desambra hatramin’ny 15 marsa izany fe-potoana izany, raha tsy miova ny toetr’andro. Raha ny zava-nisy, efa maro ny fikambanana, ny fiangonana, ny orinasa ary ny olon-tsotra niroso tamin’ny fambolen-kazo nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Manampy azy ireo amin’izany ny fisian’ny ONG mizara zana-kazo maimaimpoana ho volena. Anisan’izany ny Graine de vie, misehatra amin’ny famokarana sy fizarana zana-kazo maimaimpoana ho an’izay rehetra liana amin’izany. Liana sy mazoto ny olona mamboly ny karazan-kazo rehetra eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana natao. Antony mahatonga izany ny filàna noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahalotoan’ny rivotra eto an-toerana sy maneran-tany. Anisan’ny mahaliana ny olona ny hazo fihinam-boa, ilain’ny olona ihany koa anefa ny hazo fanaovana kitay sy ny hazo mampidi-bola. Efa mihamaro ihany koa ny olona maniry sy manana hetaheta ny hamerina ireo hazo gasy tsy fahita firy sy efa mihalany tamingana.
Tsy fahombiazana noho ny tsy fahampian’ny teknika
Tsy mahomby ny fambolen-kazo eto Madagasikara amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Maro ny antony mahatonga izany. «Voalohany, tsy mipetraka tsara araka ny tokony ho izy ny fotoam-pambolen-kazo eto an-toerana. Eo ihany koa ny fambolena tsy manaraka ny teknika, izay anisan’ny antony tsy mampahomby ny fambolena», hoy Raharizatovo Andry, tomponandraikitra eo anivon’ ny ONG Graine de Vie. Nilaza izy fa lasa toy ny fitsangantsangana fotsiny ihany ny fotoana hanaovan’ny olona na fikambanana ny fambolen-kazo. Anisan’ny tsy mampahomby izany ihany koa ny doro tanety ataon’ny olona. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fandraisan’andraikitra aorian’ny fambolena.
Fomba fambolen-kazo
Mila jerena tsara ny kalitao, zana-kazo matanjaka sy mifanaraka amin’ny tany ambolena azy. Farafahakeliny, manodidina ny 40 cm toratelo ny lavaka. Intelo mandingana kosa ny elanelany. Totofana ny lavaka avy eo, ary ny am-pahatany nohadiana voalohany, no alefa aloha. Avy eo vao ny am-pahatany nohadiana manaraka. Apetraka moramora ao anaty lavaka ny zana-kazo ary kendrena tsara tsy ho potika ny fakany. Tsindrina tsara mba tsy hisy rivotra. Rakofana bozaka manodidina ny fototry ny hazo novolena mba hiarovana azy amin’ny hafanana be sy amin’ny hatsiaka ary hampamando ny fototra. Efa-bolana aorian’izay, tsara ny fiverenana any an-toerana. Mijery ny zana-kazo sy manosoka raha misy maty na manototra izay maniry tsara.
Enim-bolana aorian’ny fambolena, ilaina ny fanaovana aro afo, mba hampahomby ny fambolena izay atao. Mba hahatomombana tsara ihany koa ny fambolena.
Fahaleovan-tena amin’ny voankazo
Iaraha-mahalala ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany. Eo ny fiakaran’ny hafanana, ny hatsiaka, ny fahalotoan’ny rivotra. Anisan’ny manampy ny olombelona amin’ny fiarovana amin’izany ny fambolen-kazo. “Raha mamboly voankazo ny olona iray, mety hitarika any amin’ny fahaleovan-tena amin’io fihariana io any aorina ny fanaovana izany”, hoy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ity ONG iray ity. Afaka mampitombo ny fanondranana ireo vokatra hafa misy eto amin’ny Nosy ihany koa. Toy ny voly kafe, ny jirofo,…
Misy hazo mifanaraka amin’ny toetr’andro
Maro karazana zana-kazo vokarin’ity ONG ity. Misy mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny toe-tany misy eto amintsika izany. Eo ny voankazo, hazoala gasy, hazo vahiny azo hanaingoana tanàna sy haingam-pitombo, eo koa ny hazo mampidi-bola toy ny kafe, ny cacao, …Ho azy ireo manokana, mamokatra karazan-kazo antsoina hoe : “Bonara”, izy ireo. Karazan-kazo anisan’ny maniry eny amin’ny tany maina izy io. Raha any amin’ny tany be orana kosa indray, misy ny karazan-kazo antsoina hoe: “Hintsina”. Hazo tsy fahita firy eto Madagasikara ary anisan’ny hazo sarobidy eto an-toerana izy. “Aza raisina faneriterena na toy ny asa tsy maintsy atao ny fambolen-kazo fa ataovy am-pitiavana ary ho an’ny taranaka ny hambolena azy”, hoy hatrany izy.
Nanatontosa : Mino