Natao ny 29 novambra 2022 teo ny famaranana ny faha-120 taona ny Akademia Malagasy (1902-2022). Teny filamatra noraisina ny hoe : « Akademia Malagasy : sehatra avo lenta ifampizarana amin’ny rehetra ny fahalalana an’i Madagasiakra sy ny Malagasy ». Niahy ny lanonana ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, teo anatrehan’ny mpikambana ao anatin’ny Akademia Malagasy, notarihin’ny filoha, ny Pr. Ranjeva Raymond.
Nandritra ity fankalazana ny taon-jobily ity koa no anisan’ny nanandratana tamin’ny fomba ofisialy ny Profesora Ratsimbazafy Jonah Henri, ho mpikambana feno ao anatin’ny Akademia Malagasy, izay sady filohan’ny Vondrona mpikaroka mikasika ny varika (Gerp) sy ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny varika IPS* ihany koa.
Njaka A.
*IPS: (International primatological society)