Tsy mbola tena ao anatin’ny kolontsaina malagasy sady hatramin’izao tsy teren’ny lalàna ny hananana fiantohana momba ny trano, indrindra ny trano hipetrahana. Mitondra fanazavana momba izany fiantohana trano trano izany Atoa Napoke Christian, ao amin’ny Trano fiantohana Aro.
Manana traikefa manokana ny fiantohana trano an’ny sarambabem-bahoaka na trano lehibe indostrialy ny Trano fiantohana Aro. Hatramin’izao malalaka tanteraka ny tompon-trano fa tsy mbola feran’ny fanjakana ny hananana fiantohana ny trano hipetrahana. Na izany aza, misy ihany ny trano manana fiantohana eto an-toerana, no mora ny manao izany raha ao amin’ny Trano fiantohana Aro, arakaraka ny sandan’ilay trano sy ny entana ao aminy ny arotsaka isan-taona. Loza samihafa ny hiantohana ny trano, toy ny fahamaizana, halatra, fahasimban-javatra na fahavakisan’ny fitaratra … Arakaraka ny loza mety hitranga no hifanarahana. Raha sendra misy ny loza, tonga ny Trano fiantohana Aro manao fizahana, avy eo manonitra ny simba.
Ny fiantohana famaizan’ny trano, ohatra, miantoka ny fanamboarana ny Trano fiantohana Aro, na manolo izay simba, sy izay lany rehetra vokatry ny fahamaizana. Afaka maka fiantohana koa ny mpanofa trano. Mbola tsy misy 5 % ny trano hipetrahana no manana fiantohana eto Antananarivo, koa entanina ny rehetra hanao izany ho fiarovana ny fananany. Mbola tsy dia mahazatra ny olona loatra, tsy mitovy amin’ny fananana fiarakodia tsy maintsy manana fiantohana.
Marihina fa momba ireo trano sy fanorenana lehibe, dia tsy maintsy misy fiantohana ihany izy ireny. Ohatra, ny Kianjan’ny Barea, ny seranan-tsambon’i Toamasina, efa niantoka izany ny Trano fiantoahana Aro. Toy izany, ny fanorenana hopitaly sy trano vaventy hafa, tsy maintsy manana fiantohana. Fanorenana tranon’olon-tsotra hipetrahana, an-kahalalana ny hanaovana izany fiantohana na tsia, eto Madagasikara.
Miezaka ny fanjakana amin’izao fotoana amin’ny fanorenana tanàna vaovao. Na eo aza ny fahasarotana samihafa, tsy misakana ny Malagasy izany hanao trano, miroborobo ny fanaovan-trano amin’izao fotoana. Lafo ny fitaovana … koa ampidirina fanampin’ny kolontsaina malagasy raha hanao trano ny fiantohana, tahaka ny hanaovana tahiry any trano fonenanana ho an’ny taranaka aman-dimby . Mifanojo ny politikan’ny fanjakana sy fanaovan-trano eto an-toerana.
Ndrina