Ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ady amin’ny kolikoly, 9 desambra, ny minisitera’ny Toekarena sy vola, manokana herinandro hiadiana amin’ny kolikoly nanomboka omaly 5 desambra. Voalohany ny misy hetsika fanentanana toy izao fa ny ady mitohy hatrany eto amin’ny firenena manamarika io fotoana io.
Tanjona ny hampahafantatra sy hampandray anjara ny mpiasa rehetra ao amin’ny minisitera momba ny ady amin’ny kolikoly. Voakasik’ izany ny sampana sy ny rafitra rehetra ao amin’ny minisitera. Ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly, mampahalala ny atao momba ny politika anatin’ny minisitera hoentina miady amin’ny kolikoly, hanomanana ny tokony hatao manomboka amin’ny 2023 higadona io.
Nilaza ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola fa tsy handefitra mihitsy manoloana ny tranga misy kolikoly. Matoky ny mpiasa ao aminy ny minisitera, sy ny olom-pirenena rehetra mivondrona miady amin’izany kolikoly izany.
Ndrina