“Archipelagic and Island States forum”: ahafahana mamokatra angovo ny lomo-dranomasina

Nandray anjara tamin’ny « Blue Innovation Solution Conférence », fikaonandoha hitadiavana ireo fomba fiasa vaovao hiarovana ny harena tontosaina ao Indonesia, ny solotena malagasy notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly. Nodinihina tamin’izany ny paikady iraisana amin’ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fitantanana ny harena an-dranomasina amin’ny endriny vaovao. Nasonga­din’ny minisitra nandritra ny lahateniny ny fanavaozana azo atao amin’ny fitrandrahana ny ranomasina hiteraka angovo na ny “Énergie Re­nou­velable Marine” (ERM). Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny lomo-dranomasina na ny “algues” hamokatra angovo sy hanadio ny rivotra iainana. Eo koa ny famokarana herinaratra amin’ny ranomasina sy ny fanodinana ireo akora plastika. Novelabelariny ny fandriampahalemana eny an-dranomasina, indrindra ny ady amin’ny jiolahintsambo sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina, izay andraikitry ny firenena na atao hoe « actions de l’état en mer » izany. Marihina fa tanterahina any Bali, Indone­sia ny 5 sy 6 desambra izao ny « Archipelagic and Island States forum na ny AIS », hatrehin’ireo firenena miisa 47 ka andraisan’ny solontena malagasy anjara.

Tsiferana R.

Partager sur: