Izany ka zavakanto ! Ho an’ny hafa indray : «tsy hitako mihitsy izay maha kanto an’io»… Nanjary tsy mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara intsony ny Malagasy. Tranga hafahafabe raha ho an’ireo efa zoky raiamandreny. Mety hiteraka resaka maharitra kosa raha ho an’ny tanora. Mazava kokoa ny atao hoe «tsara» ho an’ny vanim-potoana fahiny. Ankehitriny, na miteny zava-mamoafady, na maneho fihetsika tsy fampiseho masoandro eo imason’ny olom-pady aza, misy milaza fa «kanto».
Anisan’ny niteraka io, ny fanarian’ny Malagasy ny soatoaviny, ny tsy fahaizana sy ny tsy fananana fahalalana intsony ny momba ny maha izy azy. Ratsy sy tsy fanaon’ny Malagasy, fahiny, ohatra, ny mitsipa-doha laka-nitana. Ankehitriny, manahirana ny zanaka ny miara-monina amin’ny ray aman-dreny niteraka sy nanabe ka naleony alefa any amin’ny toerana fitaizana zokiolona izy ireny.
Ratsy tamin’ny Malagasy, satria, mamono ny hasina maha olona azy ny manosy ny rariny sy ny hitsiny. Ankehitriny, azo vidiana vola hatramin’ny marina ka izay mahavita izany indray no lazaina fa tsy meloka (izany hoe, tsy ratsy na tsy olon-dratsy).
Nanjary tsy mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara intsony ny Malagasy. Toa tsy hainy intsony ny mendrika sy ny sahaza ny hasina ananany. Mila fanarenana goavana ny tontolon’ny fanabeazana miainga any amin’ny ankohonana !
HaRy Razafindrakoto