Banga ny asa fanaovan-gazety : nodimandry i Lalaina Nalinjara…

Nodimandry ny alahady teo ny mpanao gazety eo anivon’ny radio Don Bosco (RDB), i Lalainasoarimbelo Malalanalinjara Aroldhia La­laina na i Lalaina Nalinjara. 49 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao ary namela mananontena sy kamboty telo mianadahy. Am-polo taona maro no niasany tao amin’io haino aman-jery io ary efa nahazoany mari-pankasitrahana amin’ny maha mpanao gazety azy izany. Nikirakira ny vaovao rehetra, ny momba ny politika, ny fiarahamonina, ny toekarena… ny tenany.
Etsy andaniny, diakona eny amin’ny FJKM Zoara Fa­nantenana Ambohipo i Lalaina Nalinjara ary mandefa hafatra sy tenin’Andriamanitra matetika ao amin’ny “Facebook”.
Andrasana eny Lohanosy, Ambohijanaka ny nofo mangatsiakany. Hoentina hatao veloma farany ao amin’ny FJKM Ambohipo, mialoha ny hametrahana azy eny amin’ny fasam-pianakaviana eny Andohatanjona Itaosy.
Tsiahivina fa efa nanefa ny adidiny, nampahery ny vady aman-janany sy ny fianakaviana, ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), omaly. Mbola ho avy eny koa anio tolakandro ireo mpanao gazety hafa…

Partager sur: