Fanafody hitsaboana ny VIH/Sida : misedra olana indraindray ny ARV ho an’ny zazakely

Olona sahirana avokoa ny 80%-n’ireo marary raisin’ny fi­kambanana ONG Mad’Aids an-tanana hatramin’izao. Ani­san’ny mampitaraina ny ankamaroan’izy ireo ny tsy fisian’ny fitsirihana maimaimpoana eny amin’ny hopitaly, izay tokony hatao isaky ny telo na enim-bolana ao­rian’ny fihinana fanafody, raha toa ka maimaimpoana izany taloha.

Tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny olona voan’ny aretina VIH/Sida eto amin’ny Nosy. Miha tanora hatrany izy ireo, raha ny zava-misy, indrindra tao anatin’ny roa taona farany. Ho an’ny aretina VIH/Sida manokana, mampiasa drafitrasa, antsoina hoe : “spectrum” ny manampahaizana ahafahana mitily ny aretina. Nanaovana fitiliana voalohany ny mpitondra ka­miao, ny mpampanofa tena, ny olona voafonja…. Tsy dia niakatra loatra ny tahan’ny olona voan’ny aretina taorian’ izany ka nosokafana tamin’ny lehilahy manao firaisana
amin’ny lehilahy, ny misionera indray izany. Antony mahatonga ny fiakaran’ny taha, ny fi­tsindromana zava-mahadomelina «rôrô». Tamin’ny taona 2002, 64 ny olona fantatra fa nitondra izany. Ankehitriny, efa mananika ny 13 000 izany manerana ny Nosy. Raha manodidina ny 45 000 ny olona ahina ho mitondra io tsimokaretina io, izay mbola tsy fantatra ny ankamaroan’ izy ireo.
Ampy foana ny fanafody ho an’ny marary tao anatin’ny roa taona lasa izay, raha eto Madagasikara manokana. Raha toa ka nahitana olana sy tsy fahampiana kosa izany talohan’izay, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny fikambanana ONG Mad’Aids hatrany. Nilaza izy ireo fa misedra olana sy tsy dia misy indraindray ny fanafody ho an’ny zazakely. Tsy dia mi­ankina amin’ny firenena eto Madagadikara loatra ny antony mahatonga izay fa miankina betsaka amin’ny fama­tsiam-bola maneran-tany iza­ny, raha ny fanazavana na­taon’izy ireo hatrany. Ny anti-retroviral (ARV) ny fanafody natao hitsaboana ny VIH. Anisan’ny mampihena ny fitomboan’ny viriosy ao amin’ ny vatan’ny olombelona izy io. Misy karazana maromaro io fanafody io, izay miasa amin’ ny dingana samihafa amin’ny tsingerin’ny viriosy. “Azo lazaina fa tsy mamindra amin’ny olona intsony ny aretina raha mihinana ny fanafody tsy miato mandritra ny dimy volana ny olona iray. Tsy hatahorana ho fatin’ny aretina VIH/ Sida kosa ny olona iray raha tena mihinana ny fanafody tsy tapaka”, hoy ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny ONG Mad’Aids, Firinga Jonhson Victorius.

Zava-dehibe ho an’ny marary ny tohana ara-tsaina
Maro ny zavatra ataon’ny fikambanana mandray an-tanana ireo olona marary. Toy ny fanohanana ara-tsaina, izay tena zava-dehibe indrindra. Ampahafantarina azy fa tsy irery izy manoloana ny aretina mahazo azy. Am­pahafantarina azy ihany koa ny zavatra tokony hatao rehetra. Aorian’izay, manatitra azy any amin’ny mpitsabo sy ny tokony hanaovany “traitement”. Mandritra ny fifaneraserany amin’ny olona manodidina azy, tsy avela irery izy ireo. Mba hialana amin’ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana mahazo azy ireo eny ifotony. Eo ny fanairana sy fampahatsiahivana azy amin’ ny fotoana sy ny ora tokony hihinanany fanafody. Ao anatin’ny fandraisana an-tanana ireo marary ihany koa ny fahafantarana ny asany sao dia ho lasa vesatra ho azy. Raha ho an’ny olona miasa alina, mahafanina ny fanafody raha hanina amin’ny alina.

Sakana amin’ny fihinanana fanafody ny fanilikilihana

Mbola maro ny olona mararin’ny aretina VIH/Sida, izay tsy manaraka fitsaboana sy tsy mihinana fanafody, raha ny eto Madagasikara. Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fanavakavahana ary ny fanilikilihana mahazo azy ireo. Mitarika amin’ny tsy fahazotoan’ny olona manao fitiliana koa izany. Eo ihany koa ny foto-pisainana sy ny kolontsaina efa manjaka ao anatin’ny olona. Mbola mihevitra izy ireo fa avy amin’ny firaisana ara-nofo foana matoa nahazo an’io aretina io ny olona iray. Fanampin’izay ny tsy finoan’ny olona fa tena misy ny otrikaretina, noho ny fahatanjahan’ny voan’ny aretina, raha mbola amin’ny dingana voalohany.
Ankoatra izay, misy sakana maromaro mahatonga ny marary iray tsy hihinana fanafody sy tsy hahavita izany hatramin’ny farany. Antony valohany, ny fanafenany amin’ny vady aman-janaka ao an-tokantrano fa mitondra ny tsimokaretina ilay rangahy na ramatoa. Nefa tratra mihinana fanafody isan’andro ao an-trano. Sakana ho an’ny marary koa ny fiasana eny amin’ny orinasa tsy miankina, izay tsy maintsy any amin’ireny fikambanana mpitsabo miahy ny mpiasa ireny foana rehefa marary na haka fanafody. Nefa ny fanofody hitsaboana ny Vih/Sida, efa misy fakana azy manokana mihitsy ary tsy maintsy mila fanaraha-maso isam-bolana foa­na. Farany, tsy zatra mamita sy mamarana ny fihinanana fanafody hatramin’ny farany ihany koa ny Malagasy. Fa ma­na­janona avy hatrany rehefa hitany fa metimety ny vatany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: