An-drenivohitra sy ny manodidina : vokatry ny toe-tsain’ny mpamily ny mahatonga ny fitohanan’ny fiara

Zary lasa fiainana sy mahazatra ny ankamaroan’ny olona ny fitohan’ny fiara misy eto an-drenivohitra. Maharitra eo anelanelan’ny ora iray hatramin’ny adiny efatra eo izany rehefa tena mihisatra, ra­ha ny zava-misy.

Anisan’ny fitaovam-pitaterana eto an-drenivohitra ny fiara fitateram-bahoaka (taksibe), moto, taxi… Olana sedraina, iraisan’ny mponina rehetra eto Antananarivo ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-dalana rehetra eny. Maharitra eo amin’ny adiny iray hatramin’ny adiny efatra eo ny faharetan’ny fitohanana rehefa tena mihisatra, raha ny zava-misy. Ahitana izany, avokoa ny ankamaroan’ny lalana rehetra eto an-toerana. Toy ny etsy Anosizato, Analakely, Anko­ron­drano, Anosy, Ankadim­ba­hoaka, 67ha… Miseho izany manomboka amin’ny valo ora maraina, amin’ny 11 hatramin’ny 2 ora atoandro ary amin’ny 4 ora hatramin’ny 7 ora ha­riva eo, isan’andro. «Mandany ora efatra mahery isan’andro amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana mandritra ny herinandro ny olona iray », araka ny fanadihadiana nataon’ny Stileex Data, tamin’ny 2020, teto Antananarivo.

Fotoana hialan’ny tsirairay sy hodiana any an-tokantrano ireo ora ireo ka antony mahatonga ny fitohanana, raha ny fanadihadihana natao. “Vo­katry ny toe-tsain’ny mpamily sasany eny an-dalana kosa ny mahatonga ny fitohanana eto an-drenivohitra”, hoy ny filoha lefitry ny UCTU sady filohan’ny kaoperativa Fitsema, Rako­tonirina Jean Louis Emile. “Efa hita fa tsentsina izao ny lalana, satria aho “priorité” dia tsy maintsy mandeha. Izany no mahatonga ny fitohanana lavareny”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny hatrany fa tsy mahay mifandefitra ny ankamaroan’ny mpamily eto an-toerana ary tsy mitsinjo ny hafa izy ireny. Tokony handefitra sy manome lalana rehefa hita fa tery ny arabe. Antony mahatonga izany koa ny fisian’ny lavaka sy ny rano eny amin’ny lalana, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny orana izao, raha ny fanazavan’ny mpamily hatrany. “Tsy maintsy miandry ny fiara iray vao afaka mandeha satria tsy afaka hanitsaka sy hilatsaka ao anatin’ny lavaka ny fiara”, hoy Raherimalala Ferdinand, mpamily nanontaniana. “Miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana mandritra ny ora maro izany mandra-pihidin’ny rano”, hoy kosa ny mpamily iray hafa nanontaniana.
Ankoatra izay, ny fahateren’ny lalana misy eto An­tananarivo. Tsy ny fiara irery no mandeha sy hita eny amin’ny arabe fa ahitana olon-tsotra mandeha, bisikileta, posy koa eny. Manampy izany, ny fiantsonan’ny fiara sasany anaty lalana ka mahatery an’izy ireny. Anisan’ny mampirongatra ny fitohanana ihany koa ny fijanonan’ny fiara ela loatra eo amin’ny fiantsonana iray. Manampy izany, ny fivarotana amin’ny toerana fandehanan’ ny fiara izay manery ny lalana.

Mitarika fahatarana any am-piasana

Misy fiantraikany amin’ny olon-drehetra ny fisian’ny fitohanana lavareny. “Miteraka fahatarana amin’ny fidirana any am-piasana sy any am-pianarana izany”, hoy An­driamboavonjisoa Seheno, olon-tsotra nanontaniana. Ni­laza izy fa tsy maintsy miala adiny roa mialoha any an-trano mba tsy ho tara noho io zava-misy io. Efa manomboka zatra ny fitohanana ny ankamaroan’ny mpandeha ka tsy maintsy mandray fepetra mialoha ho fisorohana ny fiantraikany ratsy eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fianarana.

40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka

Mahatratra 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka ara-toekarena ateran’ny fitohanan’ny fiara eto Antananarivo, raha ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena momba ny fitaterana sy ny fivezivezena. Nilaza ny teo anivon’ny UCTU fa mbola antony mahatonga ny olan’ny fimamoivoizana eto an-drenivohitra ny lalàna goragora eo anatrehan’ny rivotra iainana misy ankehitriny. Raha mitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna sy ny fampiharana azy dia hilamina ny eto an-toerana, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, mpamboly avokoa ny 90 % amin’ny mpanampy mpamily fiara, raha ny tatitra tsotsotra avy amin’ny UCTU. « Tsy misy fianarana na sekoly mampiofana ny olona iray ho lasa mpamily na ho mpanampy mpamily fiara eto amin’ny Nosy. Izay tonga sy mahay kely dia manao ny asa avokoa ka mahatonga ny karazana olana satria tsy ampy ny fanabeazana », hoy hatrany izy nanamafy. Mila asiana ny fanabeazana ho an’ny olon-drehetra mahakasika ny fampiasana ny fifamoivoizana eto an-toerana. Mba hialana amin’ny korontana sy ny olan’ny fifamoivoizana misy manerana ny toerana rehetra, raha ny fanazavana nataon’ny filoha lefitry ny UCTU hatrany. Efa misy ny vahaolana entin’ny fanjakana malagasy, hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Maro amin’ny vahoaka malagasy ny miandry ny fahavitan’ny Fly Over, izay nampanantenain’ny mpitondra.

Nanatontosa : Mino
Sary: Fanou

Partager sur: