Anisan’ny asa nosahanin’ny mpiandraikitra ny tetikasa « Equal », tontosain’ny fikambanana Autisme Madagascar, ny adisisika atao eny anivon’ny minisitera maromaro: Fahasalamana, Fanabeazana…hanatsarana ny fisitrahan’ny olona manana fahasembanana fiahiana sosialy mifandraika amin’ny filàny.
Miara-miasa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fikambanana amin’ny fanapariahana ny “classe integrée passerelle” amin’ny faritra maro eto amintsika. Fametrahana efitrano fianarana iray manokana anatin’ny sekoly iray mandray zaza manana fahasembanana ara-tsaina na ara-batana mavesatra ny «classe integrée passerelle». Tsy ampiarahina ny karazana fahasembanana satria samy hafa ny filàna sy ny fandraisana an-tanana, hoy ny talen’ny fanabeazana ivelan’ny rafitra, ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Mamba Serge Dieudonné.
Mila fampitaovana sy fanofanana ny mpanabe handray ny zaza manana fahasembanana ka sekoly 20 hatramin’izao no efa manana classe integrée amin’ny faritra maromaro : Antsirabe, Toamasina, ary Diana sy Boeny.
Nanomboka ny taona 2009 no nivoaka ny lalàna mifehy ny fanabeazana mampiaty ary ny taona 2019 no vita ny didim-panjakana momba ny fanamorana ny fiatrehan’ny mpiadina manana fahasembanana fanadinam-panjakana sy ny zo hisitraka fanabeazana.
Nanohana ny fanapariahana ny “classe integrée” ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny taona 2021, satria nanomboka niroborobo. Ny Autisme Madagascar sy ny Humanité et inclusion (HI) no nisantatra ny fametrahana izany mialoha ny taona 2016.
Ambaratonga voalohany …
Mbola eny anivon’ny EPP fanjakana (EPP Salazamay, EPP Ampasanambo…) no misy ny “classe integrée” 20 hatramin’izao ary ferana ho 10 ny mpianatra isaky ny kilasy. Olana ny tsy fahampian’ny mpanabe voaofana hisahana ny kilasy rehetra. Ho an’ny zaza manana olana amin’ny fahenoana, tsy maintsy ampianarina ny teny tanana ilay zaza sy ny mpanabe handray azy ary tokony hanana izay isaky ny miakatra kilasy.
Vonjy