Andron’ny indostria aty Afrika: « Tsy misy indostria mandeha raha tsy ampy ny angovo … » 

Toy ny fanao isan-taona, nankalazaina omaly ny An­dron’ny indostria aty Afrika, notarihin’ny minisitera misahana ny fampiroboroboana ny indostria, varotra sy fanjifana (Micc) niaraka tamin’ny Onudi, sampan-draharahan’ny Firenena mikambana mom­ba ny fampandrosoana ny indostria. Eto Madaga­sikara, natao ny fankalazana nifampizarana vaovao momba ny indostria sy fampirisihina ny rehetra.
Nitodika tamin’ny tomponandraikitra samihafa ny mi­nisitra Razafindravahy Ed­gard, faly mankalaza miaraka ny Andron’ny indostria aty Afrika. Nisaorana manokana ny Onudi, Bad, ny Sendi­kan’ny indostria eto Mada­gasikara (Sim). Laharam-pahamehana ny fametrahana indostria eto Madagasikara, satria hita mbola manafatra betsaka isika noho ny famokarana ato anatiny.
Tanjona ny hahazoana 15 hatramin’ny 25 % ny harinkarena faobe hoentin’ny indostria ao anatin’ny dimy taona, na 1,5 miliara dolara. « Tsy tanteraka anefa izany raha tsy eo ny angovo, tsy misy indostria mandeha raha tsy ampy ny angovo sady antonina ny vidiny. Ampy tsara ny ilaina amin’ny famokarana angovo eto an-toerana, misy tahiry betsaka amin’izany », hoy ny minisitra.

Fananganana indostria
Na izany aza ny tsy fahampian’ny angovo sy ny olana hafa, azo ambara fa mandroso ihany ny indostria eto an-toerana. Ohatra, eo an-dalana fametrahana azy ankehitriny ny famokarana simenitra, zava-dehibe ho an’ny famokarana sy fotodrafitrasa. Fananganana indostria mamokatra siramamy any Vatoman­dry sy Morondava. Mbola mi­ampy orinasa madinika hafa mamokatra siramamy amin’ny alalan’ny tetikasa Odof* any Boeny sy Anosy.

Lalana sy angovo
Toy izany koa ny fananganana indostria mamokatra lafarinina, izay mitombo ny tinady eto an-toerana ankehitriny, menaka, savony, indrindra ny vary izay hanafarana 600 000 t isan-taona. Hahena ny fanafarana sakafo handaniana 600 tapitrisa dolara isan-taona .
75 orinasa indostrialy samihafa izao ny vinavina amin’izao fankalazana ny Andron’ny indostria izao, ka 35 no efa tafapetraka. Irariana ny hisian’ny fiaraha-miasa mitohy eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Tsy hisy sakana amin’ny fampiasam-bola, indrindra amin’ny lalana sy ny angovo.

Ndrina
Odof* :
One district, one factory

Partager sur: