Valalabemandry tokoa: tsy mety mifoha amin’ny torimasony ny Malagasy

Misy antony matoa nipoitra ny anarana « valalabemandry », raha ny fanazavan’ireo mpahay zava-panahy. Azo andikana azy io, sady efa nahazatra hatramin’ izay rahateo, ilay anarana iombonana « vahoaka ». Ny « mandry » indray, hoenti-milaza fisiana torimaso. Ilazana fiombonana sy fiarahana ihany koa… Dia ny fitambaran’ireo ve izany no maha be torimaso ny Malagasy ?

Ny mpanakanto fotsiny no reraka! « Mifohaza Rabe­tori­maso fa maraina ny andro. Efa miposaka re ny masoandro avy any atsinanana… ». Tsy nisy nihaino na nihaino ihany fa nijanona ho fahafinaretan’ny sofina fotsiny, angamba, ny hira tahaka itony. Taona 2024, mbola tsy mety mifoha ihany ny Malagasy. Miseho amina endrika maro ilay torimaso. Samy ahitana azy avokoa ny sehatra rehetra, hany ka vitsy sisa ireo afaka hamoha.
Na ireo tranga faran’izay tsotra aza, toa tsy hitan’ny Mala­gasy akory ny fisiany. Fomba amam-panao, voavingavinga. Fahendrena hombam-pahalalana, very hasina. Ny tany navelan’ ny razana, anaran-tsy very sisa, sns. Mbola « valalabemandry » ihany ny Malagasy. Renoky ny torimaso. Sady tsy maheno no tsy mahita izay ambonin’ny tany.
… Amin’ny lafiny iray, anefa, toa tsy matory ihany ny Mala­gasy ! Matory ve izy dia ahita fa ny pataloha rovidrovitra indray izao no « lamaody » any an-dafin’ny riaka? Ny rongony mahery vaika indray izao no mila fohana. Ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana no malaza, sns ! Raha ireo tranga ireo, tsy matory ihany, ange izany ny Malagasy e ! Rendremana ?

Ry zareo vahiny ihany no mahay manaitra ny Malagasy

Tsy nihinana trotrongy (kisoa) izany ny Malagasy. Raha ny Malagasy no miteny an’io, tsy marina. Fa raha ny vahiny no mi­laza ny fotoana nampidirany ny kisoa teto Madagasikara ao anatin’ ny boky nosoratany, « kay ve tsy nisy kisoa teto taloha e » ! Raha sanatria ka misy ratra na fery, tsakoy na totoy ny ravina satrikoazamaratra dia apetaho eo amin’ilay fery fa sitrana io. Raha Malagasy no manoro izany, miara-miredona ireo naheno: « aza matokitoky an’izany » ! Tsy azo atao ny manasa vilany eny an-tanimbary. Fahalalan’ny Malagasy io. Ny Malagasy tom­pony ihany anefa no milaza fa: « finoanoam-poana izany » !…
… Mbola renoky ny torimaso sa manao torimason’akoho, sa torimason-tsaka ny Malagasy ? Izay ilazana azy tsy maninona loatra, fa ny tena mahavariana, tsy taitra izy (Malagasy) raha Malagasy tahaka azy no mamoha. Fa raha vahiny, sady taitra no tsy maharay lamba ! Ratsy, tena ratsy teo amin’ny Malagasy anefa izany atao hoe manary lamba izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: