Zava-dehibe eo anivon’ny skotisma maneran-tany ny andron’ny 22 febroary. Fotoana ankalazana ny fahatsiarovana ny nahaterahan’ny mpamorona ny skoto, i Baden Powell. Anisan’ ny mankalaza izany ihany koa i Madagasikara. Natokan’izy ireo ho Andron’ny mpamorona moa izany fankalazana izany.
100 taona ny nahatongavan’ny skotisma teto Madagasikara. Misy ny skoto katolika, ahitana ny Antilin’i Madagasikara ho an’ny zazalahy. Fanilon’i Madagasikara, ho an’ny zazavavy. Misy ihany koa ny Kiadin’i Madagasikara, skoto laika sy marolafy ary tsy manavaka finoana. Izy ireo tsy manavaka ny skoto lahy sy vavy fa mitambatra ao avokoa. Farany, ny skoto avy amin’ny fiangonana protestanta, ahitana ny Tilin’i Madagasikara, zazalahy. Mpanazava kosa ho an’ny zazavavy. Mitovy avokoa rehefa skoto fa ny maha samihafa azy ireo dia ny miankina amin’ny finoana sy ny tsy miankina.
“Fanabeazana tsy manara-drafitra, izay tsy mitovy
amin’ny any an-tsekoly sy any an-trano ny skoto. Izany hoe, tsy andraisana diplaoma akademika fa hanomezana andraikitra sy fiofanana mifanaraka amin’izay”, hoy i Gerfaut Harizo Nantenaina, kiadin’i Madagasikara sady filoham-paritany Analamanga. “Olona tsy manao skoto no mihevitra fa maditra ny ankizy skoto”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy natao ho an’ny olona kamo sy tsy mila fehezina ny skoto. Natao kosa ho an’ny olona vonona ny hiova sy hikatsaka ny mahasoa ny tenany, ny fianakaviany, ary ny firenena ny fikambanana. “Tsy azo antsoina hoe skoto ny olona iray raha tsy manana ireo toetra ireo”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny fanabeazana any am-pianarana ny hita ao anatin’ny skoto. Ankoatra izay, manana anjara goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa ny skoto. Tsy vitan’ny fanjakana irery ny fanabeazana fa ilaina fanampiana eo amin’ny tsirairay avy.
Miavaka amin’ny toetra sy ny toe-tsaina ananana ny ankizy nandalo skoto oharina amin’ny ankizy tsotra. Anisan’izany, ny firahalahiana sy ny fifamatorana eo amin’ny rehetra sy ny iray tarika mba hahafahana mahavita zavatra lavitra, raha ny fanazavana voaray hatrany. Anisan’ny toe-tsaina ao anatin’ny skotisma ny fanefena ny rehetra ho lasa olona anankiray eo am-panatanterahana ny zavatra atao. Tsy mety kivy, olona mikaroka ary tsy mihemotra raha sendra ny sarotra. Tsy matahotra ny handalo dingana mafy eo
amin’ny fiainana ihany koa izy ireo.
Baden Powell, mpanorina ny skoto
Robert Stephenson Smyth Baden-Powell, avy any Gilwell, nantsoina hoe “BP”na Lord Baden-Powell. Teraka ny 22 febroary 1857 tao amin’ny fokontany Paddington, any Londres, izy. Zanak’i Baden Powell, mpampianatra mathématiques, tao amin’ny Oniversiten’ny Oxford, sy Henriette Grace Powell. Maty teo amin’ny fahatelo taonany ny rainy. Nianatra tao amin’ny kolejy “Charterhouse”. Niafina matetika any anaty ala, ao ambadiky ny sekoly, izy, tamin’izany. Nahafahany nampitombo ny fahaizany mandinika izany. Anisan’ny mpianatra tsy tena nahay izy ary tsy nahomby tamin’ny fanadinana fidirana teny anivon’ny oniversite. Niditra tao amin’ny sekoly miaramila izy avy eo ary nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fanadinana fidirana teo amin’ny faha-19 taonany. Teo amin’ ny faha-50 taonany, nikarakara lasy naharitra valo andro niaraka tamina tovolahy 20 izy. Nitsapana ny fomba fisainan’ ireo tovolahy ireo tamin’ny alalan’ny lalao, fifampitokisana ary fahaleovantena. Nosokafana tamin’ny alalan’ny fitsofana anjomara io lasy io, ny 1 aogositra tamin’ny valo ora alina.
Miankina amin’ny aim-panahy
Tsy nametraka ny skotisma iankina amin’ny finoana fa iankina amin’ny aim-panahy ny mpamorona ny skoto. “Toetra manosika hanao ny tsara, hanampy ny mpiara-belona ary hanasoa ny firenena izany”, hoy hatrany i Gerfaut Harizo Nantenaina, kiadin’i Madagasikara sady filoham-paritany Analamanga. Nametraka sary famantarana antsoina hoe: “fleur de lys”, ho an’ny skoto maneran-tany i Baden-Powell. Mamaritra zavatra telo lehibe sy ny andraikitry ny skoto iray ny mari-pamantarana. Eo ny adidy amin’ny tena, adidy
amin’ny hafa ary adidy amin’Andriamanitra.
Afaka miditra skoto manomboka eo amin’ny fahadimy taonany ny ankizy iray. Misy salan-taona mifanaraka amin’ny andraikitra sy ny sampana tokony hisy azy ny tsirairay. “Azo raisina avokoa ny rehetra rehefa vonona hirotsaka an-tsehatra sy hiaina ny fiainana maha skoto», hoy ny filoham-paritany Analamanga. Ankoatra izay, tsy afa-misaraka amin’ny fomba sy fanabeazana skoto ny fiainana ankalamanjana. Tsy ny vatana ihany no volavolaina fa ny toe-tsaina sy ny toe-panahy ary ny toe-po ihany koa. Manampy ny ankizy ho tia karokaroka sy tia mamorona ny fiaianana eny ankalamanjana. Marihina fa manabe ny ankizy amin’ny alalan’ny toetry ny zavaboahary ny skoto. Maka ny anaram-biby miaina anaty ala, ho fakan-tahaka ihany koa. Ho mariky ny fifampitokisana sy ny firahalahiana amin’ny skoto rehetra maneran-tany ny fifampiarahabana amin’ny tanana havia.
Nanatontosa : Mino