Kolotsaina an-tanan-dehibe: tsy ho avy amin’ny « Festival Zaza Rap Taiza » i  Blacko

Mihamahazo toerana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe eto amintsika. Tanjona amin’izao hetsika izao ny fampiroboroboana ny talenta malagasy sy fanomezana seho manara-penitra.

Hetsika iray hanehoana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe, indrindra ny mozika ny “Festival Zaza Rap Taiza”. Andro vitsy mialoha ny hanombohan’ny hetsika no nilaza ny tomponandraikitra fa tsy ho avy eto Madagasi­kara i “Blacko”, mpanakanto frantsay, isan’ny vahiny tokony handray anjara amin’ny hetsika. Ny “Festival Zaza Rap Taiza”, hotanterahina ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy Fanatanjahan­tena Mahama­sina.
Hisongadina manokana amin’ity hetsika ity ny gadona “Rap”. Mpanakanto mi­voy ny mozika an-dalambe avy eto Madagasikara sy avy any ivelany no hiakatra an-tsehatra mandritra ny telo andro. Isan’ny mpanakanto vahiny ho avy i Yous­soupha, Res Turner, Nuttea sns. Tsy ho avy kosa anefa i Blacko fa hosoloin’i Sir Samuel. “No­foanan’i Blacko tamin’ny ora farany ny fahatongavany eto Ma­dagasikara noho ny antony manokana. Tanjon’ny fi­kambanana ZRT na Zaza Rap Taiza anefa ny hanolotra hetsika sy mozika manara-penitra ho an’ny Mala­ga­sy tia mozika an-tanàn-dehibe. Izany toe-tsaina izany no entina miarahaba an’i Sir Samuel, izay sambany tonga eto Madagasi­kara” hoy ny mpiakarakara tao amin’ny pejy ofisialiny. Isan’ny ho avy ihany koa i Chilla sy Noemie (ex Ayna) mpanakanto miangaly ny gadona “rap” samy manana ila Ma­la­gasy. Hiaka-tsehatra ao anatin’ity fotoan-dehibe ity ny mpanakanto malagasy ka­laza eo amin’ity gadona ity, isan’izany i Tovolah, Psyko­pasy, Bolo, Geoscar sns.
Hisy ihany koa ny atrikasa sy ny filatroana ary ny fanentanana ankoatra ny seho ataon’ireo mpanakanto. “Tanjona ny fampiroboroboana ny talenta malagasy amin’ny kolontsaina “Hip hop worldwide” hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: