“Rock sy ny revintsika”: hanafana ny Piment Café ry Roova

Tarika Roova … Mpana­kanto mivoy ny mozika rock indray ny haneho ny talentany, etsy amin’ny Piment Café Behoririka, ny zoma 23 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hira manodidina ny 30 eo ho eo ny hovelomina mandritra izany. Anisan’ny hira ahafantarana azy ireo ny “Tsy anjara”,
ny “Hararaoty ihany”, izay efa ao am-bavan’ny maro raha vao miteny hoe tarika Roova. Manana ny mampiavaka azy ry Roova eo amin’ny tontolon’ny mozika, amin’ny fiangaliana ny gadona « disco rock ». Tsy hijanona eo fa mitohy hatrany ny hetsika sy fiakarana an-tsehatra ataon’ireto tarika ireto ary mampanantena seho an-tsehatra manaraka izy ireo amin’iny fiandohan’ny taona iny. “Ny hetsika manaraka dia ny fifampiaraha­bana nahatratra ny taona vaovao”, hoy Razanajatovo Rova Tahiana, anisan’ny nananagana ny tarika Roova. Efa namoaka ny « double album » nampitondraina ny lohateny « Ny rock sy ny revintsika » izy, ahitana « audio » misy hira 16 be izao ary « clip » miisa 14. Io ihany koa ny lohahevitra anehoan’izy ireo ny fampisehoana an-tsehatra.

Narilala

Partager sur: